26/04/2018

Fanafarana héroïne tatsy Afrika Atsimo : Ho avy eto ny mpitandro filaminana maorisianina

Taorian’ny nahatrarana ilay “héroine “milanja 1,3 kg tatsy amin’ny nosy Maorisy , izay nokasaina alefa teto Madagasikara ny 31 desambra lasa teo , dia fantatra fa eo am-pikarakarana taratasy ary hiezaka hankaty an-toerana ireo mpitandro filaminana maorisianina. Fiaraha-miasa amin’ny manam-pahefana malagasy amin’ny fikarohana ny dosie mahakasika ilay orinasa B.Export etsy Nanisana, izay nanafatra ireo zava-mahadomelina mahery vaika ireo no tena anton-dian’izy ireo eto amintsika amin’izany. Avy any Afrika Atsimo moa no niaingan’ireo entana ireo no nandalo tao amin’ity nosy rahavavy ity izao tra-tehaka izao, rehefa nohamarinin’ny fitaovana fitarafana “rayon X”. Araka ny loharanom-baovao, dia nentin’ny sidina SA 190-n’ny South African Airways io “héroine” milanja iray kilao mahery natao tanaty fonosana miisa efatra io. Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Sir Seewoosagur Ramgoolam, ny 31 oktobra 2017 lasa teo izany, izao sarona izao rehefa nandalo fisavana izay notanterahan’ny borigady miady amin’ny zava-mahadomelina mahery vaika ao amin’ny seranam-piaramanidina atsy Maorisy. Isan’ny antony ahatongavan’ireo manam-pahefana maorisianina eto Madagasikara ihany koa raha ny fantatra ny hanatratra sy hisambotra ireo olona rehetra voasaringotra amin’ity raharaha fanafarana “héroine” tany Afrika Atsimo ity. Isan’ireo nosy hahatrarana “heroïne” sy “cocaïne” matetika ao Maorisy, ary hatreto dia ireo teratany malagasy no anisany tratra mitondra izany. Vola be no mihodina ao anatin’ity raharaha fanondranana zava-mahadomelina mahery vaika ity, satria raha ny fantatra dia amidy amin’ny sarany 160 000 Ar ny iray grama amin’ny “heroïne” eto amintsika. Araka ny fanadihadiana lalina natao ihany koa, dia voalaza fa isan’ireo toerana fandalovan’ireo zava-mahadomelina mahery vaika ireo i Madagasikara, alohan’ny hahatongavan’izany any amin’ireo firenena tena handefasana ny entana. Noho ny tsy fahampian’ny fitaovana eny amin’ny seranam-piaramadina Ivato no isan’ny manamora io fidirana io eto amintsika sy tsy hahatrarana izany matetika, raha ny voalaza hatrany.

Mialy R.