20/03/2019

Fanadiovana tanànan’i Fianarantsoa:NANOME OHATRA NY ANTOKO HVM

Nanome tanana ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa tamin’ny fanadiovana ny tampon-tanàna ny antoko HVM faritra Matsiatra ambony omaly. Ilaina ny fifanomezan-tanana ahafahana mampanjaka ny fahadiovana raha ny nambaran’ireo mpitarika. Mpikambana hatrany amin’ny 800 isa araka izany no nifarimbona niara-nanadio ny tanànan’i Fianarantsoa omaly. Natao izao hetsika izao ho fanomezana ohatra ireo fikambanana maro ao amin’ity faritra ity. Finiavana fotsiny mantsy no ilaina dia azo atao ny mampanjaka ny fahadiovana raha ny nambaran’izy ireo. Tafiditra tao anatin’ny fanomanana ny kaongiresim-paritra hotanterahin’ny Antoko HVM any amin’ny renivohitr’i Betsileo androany ihany koa izao hetsika izao. Mandritra ity kaongiresim-paritra tanterahina androany ity no hanatanterahana ny fifidianana ireo biraom-paritry ny antoko HVM Matsiatra ambony.

Andry Rakoto