20/03/2019

Fanadinana CEPE : Mifarana amin’ny 8 martsa ny fisoratana anarana

Raha efa nanomboka ny 10 janoary lasa teo ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana CEPE, dia fantatra fa ny datin’ny 8 martsa izao no mifarana izany amin’ny Dren rehetra manerana ny Nosy. Tsy ekena ny fahatarana amin’ny fanaterana ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fiatrehana ny fanadinana fa miteraka fanakorontanana amin’ny lamina rehetra efa napetraka araka ny fanambaran’ny talen’ny teknolojian’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Tsitoara Serge Thierry. “Aoka hanaja ny lamina napetraka ny sekoly rehetra, ka hanatitra ireo antonta-taratasy rehetra ilaina amin’ny fanomanana ny fanadinana amin’ny fotoana efa voafaritra fa lasa mikorontana ny lamina efa napetraka”, hoy ny filazany. Marihina fa ho an’ny mpiadina CEPE, ilaina ny mandrafitra taratasy fisorotana anarana. Ankoatra izay, ny taratasy fanamarinam-pahaterahana, taratasy fanamarinana maha mpianatra, fanamarinam-ponenana alaina eny amin’ny fokontany, sary tapaka sy valopy misy hajia, ary “fiche médicale d’admission”. Hatreto anefa, mbola misedra olana amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy hisoratana anarana ireo mpianatra. Ho an’ny sekoly sasantsasany eto an-drenivohitra izao, dia fantatra fa mbola ampahany amin’ireo ankizy ihany no efa nahavita ny fanaterana ireo antonta-taratasy ilaina ireo, satria manana olana amin’ny fikarakarana ilay fanamarinam-pahaterahana avokoa izy ireo, izay alaina eny amin’ny kaominina. Tsiahivina fa ny talata 14 aogositra ho avy izao no hanatanterahana ny fanadinana CEPE.

Laurena Nany