17/12/2018

Fanadinam-panjakana CEPE : 31 370 no isan’ny mpiadina an-drenivohitra

Tapitra ny 15 martsa lasa teo ny fara-fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana CEPE. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, dia nahatratra 31 370 ireo mpiadina voasoratra anarana eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana na Cisco Antananarivo renivohitra, izay nitombo raha oharina tamin’ny taona lasa. Izy ireo izay haparitaka amin’ny efitrano fanadinana miisa 712. Araka ny tatitra voaray teo anivon’ny sampana misahana ny fifandraisana sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny minisitera dia 7 taona ny mpiadina zandriny indrindra eto Antananarivo renivohitra ary 39 taona kosa ny zokiny indrindra, izay vehivavy avokoa. “Somary nahitana fiakarana kely ny isan’ny mpanala fanadinam-panjakana Cepe teto Antananarivo renivohitra raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay 31 174, raha toa ka niakatra 31 370. Mbola tsy voaravina avokoa kosa ny tarehimariky ny mpiadina manerana ny Nosy hatreto”, hoy ny fanazavan’i Tsitoara Serge Thierry, tale misahana ny fifandraisana sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ho an’ireo manana fahasembanana moa dia efa misy fandraisana an-tanana azy ireo manokana, toa ny efa fanao isan-taona. Tsiahivina moa fa amin’ny 14 aogositra 2018 ho avy izao no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE, ary amin’ny volana jolay kosa no hanaovana ny fanadinana andrana na ny “Cepe Blanc” iraisan’ny mpianatra rehetra eto amin’ny Cisco Antananarivo. Marihina fa ao anatin’ny famitana ny fandaharam-pianarana sy famerenana avokoa ny sekoly rehetra amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany