24/06/2018

Fampianarana Any antsirabe : Niato indray ny adina fanatanjahantena

Mikatona avokoa ny sekolim-panjakana rehetra any Antsirabe, ary miato toraka izany ihany koa ny adina ara-panatanjahantena. Miray hina sy manohana ny tolon’ireo mpampianatra manao fitakiana noho izany ihany koa mantsy ireo mpanadina fanatanjahantena ireto nanomboka afakomaly, raha ny fampitam-baovao. Raha ny fantatra dia tokony natomboka afakomaly ny adina fanatanjahantena any an-toerana ho an’ny mpiadina BEPC, saingy naato tamin’ny ora farany izany. Fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisina izao, hoy ny mpampianatra ho fanehoana ny firaisankina eo amin’ny samy mpanabe manerana ny Nosy, dia ny hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana, hoy ihany ny fanazavana. Tsy ho foana hoy nambaran’ ireo mpampianatra mitokona ny fanadinanana ara-panatanjahantena, fa miato fotsiny ihany mandra-pilamin’ny raharaha.

Valérie R.