20/09/2018

Fampianarana ambony : Hamafisina ny fampianarana hampitain-davitra

Nandray ny filoham-pirenena Indianina, Ram Nath Kovind ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Fitsidihana farany nataon’ity Filoha ity namaranana ny diany eto Madagasikara. Voatsidika nandritra izany ny fampianarana hampitain-davitra, entina nanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fametrahna ny teknolojia avo lenta mba hampiroboroboana indrindra ny fampianarana hampitain-davitra izay. Fanamafisana ny fiaraha-miasa no natao satria efa manana ny fampianarana hampitain-davitra ny firenena malagasy any amin’ny distrika, saingy mbola tsy mahasahana ny tanora afaka fanadinana bakalorea, izay afaka manamaivana ny oniversite izay tsy ampy mihoatra amin’ny isan’ny mpianatra afaka bakalorea isan-taona, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. “Ny fampianarana hampitain-davitra dia tombony ho an’ireo mpianatra tsy afaka hankaty amin’ny oniversitem-panjakana, na tsy miankina izay antony nametrahana azy io. Marihina fa efa miroborobo be ity fomba fampianarana iray ity amin’izao fotoana izao. Na ny fiaraha-miasa amin’ny firenena hafa aza efa manosika mihitsy io fampianarana hampitain-davitra io, ka i Inde dia vonona amin’izany koa satria efa mandray ny mpianatra malagasy ihany, ary vonona handray maromaro ka na tsy handeha any Inde dia efa misy ny fampianarana hampitain-davitra”, hoy hatrany ny minisitra Rasoazananera Marie Monique. Marihina fa tanora malagasy miisa 365 no efa nahazo vatsim-pianarana tamin’ny firenena Indianina, araka ny fanambaran’ny Filoha Indianina, Ram Nath Kovind. Ho fahatsiarovana ny fitsidihana teto Madagasikara dia namboly zana-kazo Neem manoloana ny fakiolte DEGS ity Filoha ity, raha toa ka nanolotra azy zana-kazo Baobab kosa ny oniversiten’Antananarivo hamboleny any Inde.

L.N