20/08/2018

Fampandrosoana ny firenena : Lohalaharana amin’ny fandraisana andraikitra ny Kristianina

Tsy mitsahatra ny mitady ny tetikady rehetra ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery entina hampandrosoana ny firenena. Ary mandray ny soso-kevitra rehetra omena azy. Ao anatin’izay indrindra, nandray ireo tanora Kristianina misehatra ho amin’ny fampandrosoana ny firenena avy amin’ny Fjkm sy flm ny Filoha, omaly, teny Iavoloha. Ireto voalohany izay naneho ny fahavononana hifanome tanana amin’ny fitondrana foibe tamin’ny alalan’ny fanolorana vina-panarenana an’i Madagasikara. Fantatra fa tetikasa maro efa niarahana nidinika tany aloha tany ity natolotra ny Filoha, omaly ity, ka isan’ny voarakitra ao anatin’izany ny fambolen-kazo hiarovana ny tontolo iainana sy hanomezana asa ho an’ny tanora.

Velom-pankasitrahana, noho izany, ny Filoha Rajaonarimampianina amin’ny fandraisan’ny tanora andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena satria efa ambara foana mantsy fa ny tanora no ho avin’ny firenena ary ny fandraisana andraikitra dieny izao no antoka ny fampandrosoana ny ho avy. Fa indrindra amin’ny maha Kristianina azy ireo satria ny mpino Kristianina no lohalaharana amin’ny fampandrosoana ny firenena iray, araka ny nambarany Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. “Ny  kristianina  no  tokony  ho  lohalaharana  amin’ny  fandraisana  andraikitra  ho fampandrosoana  ny  firenena. Ary raha ny kristianina no mandray andraikitra dia ho mora kokoa ny miady amin’ny kolikoly  sy  ny  fitsaram-bahoaka  izay  manimba  ny  firenena”,  hoy  ny  Filoha.  Ary notohizana ny tenany nanao hoe, “Efa  finiavana anefa  no  nasehon’ireto  tanora  ireto  tamin’ny  fanolorany  vina  tahaka  izao.  Izany toe-tsaina amin’ny  maha-kristianina  izany  indrindra  no  hanaovako antso  mba hananan’ny tsirairay.” Ny  tanora  izay  vao  nampitana  ny  fanilo nandritra  ny  fankalazana ny faha-70 taonan’ny tolom-panafahana ny 29 Marsa farany teo.

Fantatra fa eny  anivon’ny  fokontany  sy  ny  kaominina  no  asiana  rafitra   hiara-hiasa  amin’ireto vondrona tanora ireto ka kaominina iray no hanombohana izany.

 

Laurena Nany