22/02/2018

Fampanantenan’ny Filoham-pirenena : Tafapetraka ny tranolay eny La Réunion kely

Tohin’ny asa fampanantenan’ny Filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery, tamin’ny fandalovany teny La Réunion kely, mialohan’ny faran’ny taona 2017 teo, amin’ny hametrahana trano lay 100 isa hanoloana ireo trano sachets honenan’ireo mponina sy ho fitsinjovana azy ireo amin’izao vanim-potoana ny fahavaratra izao dia omaly no napetraka ny trano lay miisa 41 ambiny mbola tsy tafapetraka. Ny minisiteran’ny Mponina sy ny Bngrc moa no miandraikitra ny fizarana ireo tranolay ireo, miaraka amin’ny fokontany eny an-toerana. Ireo mponina eny an-toerana izay mankasitraka tanteraka izao asa izao satria nivaha ny olana amin’ny trano. Izay mbola mangataka kosa ny hanohizana ny fanampiana ara-tsakafo.

L.N