23/10/2018

Famotsiam-bolan-dRavatomanga : Mitentina 43 800 000 000 Fmg

Niezaka nanadio tena mafy i Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina tato ho ato. Indro atolotra ny mpamaky sy ny vahoaka malagasy ny famotsiam-bola nataon’ny filoha tale jeneralin’ny SODIAT tratran’ny Fitsarana tany Parisy, ary efa eo am-pelatanan’ny AGRASC, na “Agence de Gestion et de Recouvrement des Avoirs Saisis et Confisqués”…

12 500 000 000 Fmg
Orinasa telo no namotsian’i Mamy Ravatomanga ireo vola maloto azo avy tamin’ny “bois de rose”, fanodinkodinam-bolam-panjakana nandritra ny Tetezamita niarahany tamin’i Andry Rajoelina. Voalohany amin’izany ny orinasa Mialy, “530195205, SCI, 28 All de Canterane 33450 Saint Sulpice et Cameyrac”, izay nividianana ny trano be mitentina 625 000 Euros, na 12,5 Miliara Fmg, “ordre n°23 : date de dépôt 27/06/2018 saisie pénale Réf : 9214P03 2018S18”. Nogiazan’ny PNF “Parquet National Financier” ao Parisy ireo trano ireo ny faha-27 jona 2018 taorian’ny fanadihadiana nataon’ny borigady misahana ny famotsiam-bola sy ny heloka ara-bola ao Nanterre taorian’ny ampamoakan’ny Panama Papers.

12 700 000 000 Fmg
Manaraka izany ny orinasa Aina “530196252, SCI, 28 All de Canterane 33450 St Sulpice et Cameyrac » izay nividianana trano be mitentina 635 000 Euros na 12,7 miliara Fmg, “ordre n°24 date de dépôt 27/06/2018 saisie pénale Réf : 9241P03 2018S19”, izay nogiazan’ny Fitsarana frantsay ny datin’ny 27 jona 2018, ho fampiharana ny didy hitsivolana figiazana ady heloka navoakan’ny TPI Parisy, araka ny andininy 706-145, 706-143 sy ny 706-151 voalazan’ny Fehezan-dalàna momba paikady heloka.

18 600 000 000 Fmg
Ny orinasa Lovanirina, “531060176, SCI, 28 All de Canterane 33450 Saint Sulpice et Cameyrac” kosa indray no fahatelo nividianana trano be mitentina 18,6 Miliara Fmg, na 930 000 Euros, araka ny “ordre n°22 date de dépôt 25/06/2018 saisie pénale Réf : 9214P03 2018S7 » izay efa eo am-pelatanan’ny AGRASC, izay mitantana ny famarotana ireo trano nogiazan’ny Fitsarana noho ny raharaha famotsiam-bola maloto. Raha atotaly ireo vola be ireo dia mitentina 43,8 Miliara Fmg ny vola maloto nofotsian-dRavatomanga tany Parisy, tamin’ny alalan’ny fividianana trano be maro tao Levallois Perret, vola azo nandritra ny fitondrana Tetezamita niarahany tamin’i Andry Rajoelina. Mbola hanadio tena tahaka ny inona indray i Mamy Ravatomanga, sy Andry Rajoelina manoloana izao porofo izao?