24/06/2018

Famonoana “Surveillant” : Hitory ny fianakaviana

Manoloana ny fahafatesan’ny havany, dia tsy hanaiky mora foana ary hametraka fitoriana eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ilay tompon’andraikitry ny lisea JJR novonoina andiana mpianatra. Nataon’izy ireo vaindohan-draharaha aloha ny fikarakarana ny razana, saingy rehefa milamina izany dia nilaza ny tsy hipetra-potsiny fa hametraka fitarainana ireto farany. Inoana ihany koa fa tsy hanano-sarotra ny fikarohana ireo nandray anjara rehetra tao anatin’io vonoan’olona io, satria raha tsiahivina dia efa nisy mpianatra iray voasambotry ny polisy, izay fantatra fa nahatrarana ny findain’ity niharan-doza ity. Noho izy tsy ampy taona moa, dia navotsotra io tovolahy io saingy efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana kosa ny mombamomba azy rehetra hahafahana manohy ny fanadihadiana. Saika nanameloka ity fihetsika niseho ny alarobia lasa teo teny Mahamasina ity avokoa ny olon-drehetra, izay samy nahatsapa fa efa mitotongana tanteraka ny fahendren’ny mpianatra sy ny tanora eto Madagasikara ankehitriny. Iza no omena tsiny, ilay “surveillant” nanasaraka sy nisoroka korontana, sa ireo mpianatra mihevitra ny tenan’izy ireo tsy azo fehezina ka nihoa-pefy? Ny fantatra sy ny tsy azo ialana aloha ao anatin’ity raharaha ity, dia vonoan’olona ny resaka eto ka tsy afa-miala, ary tsy maintsy mijinja ny nafafiny avokoa ireo nahavanona izany. Tsy hijerena ny maha-mpianatra sy ny maha zaza tsy ampy taona azy ireo intsony. Hialana amin’ny mety hisian’ny valifaty sy hitohizan’ny korontana moa, dia nisafidy ny hampiato ny fampianarana ny lisea JJRabearivelo sy ny LTC Ampefiloha io omaly io. Raha ny fantatra ihany koa, dia amin’ny alahady ho avy izao no hanatanterahana ny fandevenana ity lehilahy 27 taona, namela mananon-tena sy kamboty iray ity. Hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly, dia mbola tsy nandrenesam-peo mahakasika ity tranga ity ireo tompon’andraikitra voakasika izay hahitana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ary ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly na ny Bianco.

Mialy R.