18/10/2018

Famokarana herinaratra : Hovelomina ny CTA II Ambohimanambola

Mazava. Ny hanala ny fahasahiranan’ny mponina eto an-drenivohitra amin’ny tsy fahatomombanan’ny herinaratra no tanjon’ny Fanjakana. Noho izay indrindra, nidina ifotony teny amin’ny tobim-pamokarana herinaratra eny Ambohimanambola, omaly, ny minisitry ny Rano sy ny Angovo ary ny Akoran’afo (MEEH), Lantoniaina Rasoloelison, niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny orinasa Jirama, Jaomiary Olivier.

Tamin’izany indrindra no nahafantarana fa mbola tsy nisy nikitika sy nanamboatra mihitsy ny Central Thermique Ambohimanambola II na CTA II nandritra ny fotoana naharitra. Noho izay indrindra, dia nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny orinasa tiorka Aksaf Power sy ny orinasa Jirama amin’ny fanamboarana sy famelomana indray ny CTA II hanampiana ny famokarana herinaratra ho an’ny tambazotran’Antananarivo.

Voarakitry ny fifanarahana kosa, horaisin’ny orinasa Aksaf Power ny fanamboarana sy famelomana ny milina goavana ao amin’ny CTA II. Ny volana aogositra izao kosa no tontosa sy hifarana ny fanamboarana, ary avy hatrany dia mihodina mamokatra herinarata ny milina. Marihina fa mamokatra herinaratra fanampiny 26 MW ity milina ity. Voalaza ihany koa fa mandritra ny dimy taona no hitantanan’ny Aksaf Power ny CTA II ary aorian’izay dia miverina ho fananana madiodion’ny orinasa Jirama izany. Raha ny fanazavana mantsy, tsy manam-bola hanarenana sy hamerenana ny CTA II ny orinasa Jirama ka niafara tamin’ny fifanarahana taorian’ny tolo-bidy nataon’ny Fanjakana, ka ny Aksaf Power no nahazo izany. Izany hoe, ny Aksaf Power no hitantanana ity tobi-pamokarana ity ary ao anatin’ny dimy taona no hamerenany ny volany tamin’ny fanamboarana. Aorian’izay kosa vao miverina ho fananan’ny Jirama ny CTA II.

Na izany aza anefa, diz mbola manilika trosa amin’ny Fanjakana ny Jirama tamin’ny nividianana ilay milina tamin’ny fotoan’androny, izay mitentina 15 tapitrisa Dolara. Marihina, araka ny voalaza fa mbola mivarotra herinaratra amin’ny fatiantoka ny orinasa Jirama amin’izao fotoana izao.

MN