23/09/2018

Fambolena : Fototry ny fampandrosoana hoy ny Filoham-pirenena

Ny lafin’ny fambolena indray no niompanan’ny fotoam-bita, izay niresahan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ ny vahoaka isaka ny Zoma. Nambaran’ny Filoha teny ampiandohana fa “hiompanan’ny ezaka ataon’ny fanjakana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ankoatra ny famatsiana herinaratra. Ananantsika ny tany, betsaka ny mitsiriritra izany any ivelany any, amin’ ny 30 tapitrisa ha any ho any ny tany azo hamokarana aty Madagasikara, ary ny telo ampahefatry ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Firenena mpamokatra vary isika, ary firenena manondrana vokatra fanondrana tahaka ny lavanilina, ny dipoavatra, cacao, jirofo sns . Madagasikara dia anisan’ny firenena mampianatra manokana ny fambolena eny amin’ny oniversite. Inona no tsy ahatafavoaka antsika, satria manana harena lehibe isika dia ny olona sy ny tany. Tsy diso Fanamby napetraka ny hamatsiana ny Nosy manodidina, sy ny tsena aty Afrika hanamboarana fotodrafitrasa ara-tsosialy hampitomboana ny vola miditra”.
Manoloana ireo olana izay hametrahan’ny vahoaka fanontaniana kosa dia tahaka izao ny hevitry ny Filoham-pirenena “Masomboly ve no olana, teknikam-pambolena ve no tsy araka , tsy ampy ve ny rano noho ny fiovaovan’ny toetr’andro mampiova ny tetiandrom-pambolena, leo mamboly ve ny tantsaha sanatria ka aleo mitady vola hafa . Hamaly ianareo ao amin’ny kaomantera fa “tsy afaka mamokatra intsony ny tantsaha noho ny olan’ny fandriam-pahalemana, noho ny olana amin’ ny fananan-tany, mety ho marina izany”. Manoloana io olana io dia nitondra soso-kevitra ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ ny fanomezana fahefana ny fokontany izay eny hifotony, ary fototry ny fandrosoana fa “izay no hanamafisiko fa tena ilaina ny manome fahefana ny fokontany ahafahana mifampifehy eny amin’ ny fiarahamonina , hanampy ny ezaka ataon’ny fanjakana. Ny eny amin’ ny fokontany izao no mahita ny fotoana tokony hitsinjarana ny rano ahafahana manondraka ny tanimbary ara-potoana, mba tsy hisy intsony ny olana izay reko amin’ny fanagiazana ny rano izay ataon’ny sokajin’olona sasany”. Satria tokoa dia ilaina ny olona amin’ny fambolena, dia misy ny antso izay nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina “ hamehana ny fiovam-penitra. Manao antso avo mba hiverina sy hihavana amin’ ny taniny ny Malagasy rehetra, hamboleo ny tany, hifotory ny fambolena , aza maimaika hiakatra aty an-tanàn-dehibe , ho an’izay manam-bola, ampiasao amin’ ny tany sy ny fambolena ny vola . Amin’ io 30 tapitrisa hekitara izay noresahina tatsy ambony io, dia tsy misy afa-tsy ny 10 isan-jato ihany no iasana, tsy misy afa-tsy 1, 2 tapitrisa hekitara no hambolena vary. Efa mihoatra ny 24 tapitrisa anefa ny isan’ny mponina, kanefa tsy misy afa-tsy ny 3,4 tapitrisa taonina ny vary akotry miakatra isan-taona . Tsy maharaka ny fitombon’ny vokatra ny vava mihinana. Voatery manafatra vary isan-taona isika kanefa dia manimba ny tantsaha izany, satria mora ny afarana nefa dia lafo kosa ny hamokarana ny eto an-toerana”. Na izany aza dia miezaka nanamboatra fotodrafitrasa hanondrahana ireo tanimbary midadasika ny fanjakana, toa ny hita any Bevoay Atsimo Andrefana, Alaotra, Andapa , Maintirano sy ny sisa . Izany dia mba ahafahana mampitombo haingana ny vokatra, dia misy ny famaritana tany midadasika hampiasana vola amin’ ny fambolena , fiompiana ary ny jono. Manana tetikasa amin’izay lafin’ny fambolena izay ihany koa ny fanjakana , tahaka izao no ambarany. “ Efa noresahiko teto ny antsoina hoe Zone d’investissement agricole, na ny ZIA, 2 tapitrisa hekitara no tanjona anatin’ny folo taona, tsy fivarotana tanindrazana sanatria izany fa teny hierana eny hifotony, tsy hanilika ny tantsaha Malagasy isika . Mitohy ny fakan-kevitra, efa natao izany tany amin’ ny faritra Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro sy ny sisa”. Mahafantatra tsara ny olana izay sedrain’ny mpamboly ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina , indrindra eo amin’izay fiovaovan’ny toetr’andro izay . “Manoloana ny fiovan’ny toetr’izay miteraka ny haintany dia misy ny teknika vaovao nohatsaraina avy amin’ny teknika Kipa any amoron’i Mania, haparitaka ho an’ ny fambolena an-tanenty ary sambany no ampiasana azy. Tazonina sy tehirizina ny rano mba ahafahana mitazona ny hamandoan’ ny tany ahafahana mamboly mandavan-taona. Tato ho ato dia nampiharina teny an –tanimbary mihitsy ny tetikasa Papri andiany faharoa ahafahana mampitombo ny voka-bary, misy ny teknisianina nahazo fiofanana amin’izany . Hanatsarana ny fitaovana, dia nisy ny fampiraharahana tamin’ny fanjakana indianina hanamboatra trakitera eto an-toerana , toraka izany ihany koa ny famokarana masomboly eto an-toerana ihany mba hifanaraka amin’ ny tany ambolena sy ny fiovaovan’ ny toetr’andro, ary manakara izany ny ozinina famokaran-jezika, ary amin’ny volana desambra izao izao no atsangana ny voalohany amin’ izy ireo, any Morarano Chrome no hametrahana izany” .
Tahaka izao kosa ny praograman’ny fanjakana amin’ izay lafin’ny fitadiavana vahaolana amin’ ny fambolena izay raha ny maha olona no jerena. “Manana programa ny fanjakana hanofanana ny tanora mihoatra ny iray hetsy , praograma izay antsoina hoe “forma prod” nanomboka ny taona 2013 hatramin’ ny 2023. Miofana ireo tanora ireo, ka hanaparitaka ny teknikam-pambolena, ary misy amin’izy ireo aza no hampirisihana ho mpandraharaha matihanina amin’izay sehatry ny fambolena izay” . Mikasika ireo famatsiam-bola izay azo amin’ny fambolena izay koa dia manazava eto ny filoha Hery Rajaonarimampianina “ Mizotra avokoa ny tetikasa izay hiarahana amin’ ireo mpamatsy vola , 200 tapitrisa Dolara ny totalibeny raha ny avy amin’ ny banky iraisam-pirenena, hampitomboana ny vokatra ara-pambolena sy ny fiarovana ny fananan-tany io lay CASEF miaraka amin’ ny fambolena maharitra hanatonana ny eny hifotony io, ilay hoe PADAP fanampiana ireo tantsaha izay mamokatra fotsiny ho an’ny tenany sy ny fianakaviana . Famatsiam-bola any amin’ny 130 tapitrisa Euros no azo avy amin’ ny vondrona eropeanina hampiasaina amin’ny alalan’ny fitantanana ny politikan’ny fambolena, ampitomboana ny tahan’ny arikarena azo avy amin’ ny fambolena . Tsy misy hafa tsy 20 isan-jato no entin’ny fambolena amin’ny tahan’ny harinkarena faobe, ambanin’ izany ary tena mila fampitomboana hatrany amin’ ny fanatsarana ny vokatra hambolena sy ny fanondranana dia tafiditra anatin’ izany. Misy ny mpamatsy vola hafa tahaka ny FIDA sy ny OID, izay manampy amin’ny fanamboarana tondradrano sy lalan-drano tany amin’ ny faritra Melaka. Misy any amin’ ny telo alina noho izany ireo mponina no hisitraka ny fotodrafitrasa any Maintirano, tany midadasika any amin’ ny 6 400 ha no voatondraka, ary hanampy ny tantsaha amin’ ny famokarana satria koa dia vola mitentina 205 tapitrisa Dolara no hatokana ho an’izany faritra izany”. Ezaka lehibe no natao farany teo hoy hatrany ny filoham-pirenena amin’ny fanatsarana ny voka-bary tany Alaotra “ manana sompitra masomboly, na banque de semences izay ao Amparafaravola , afaka mitrosa masomboly ao izao ireo tantsaha, ary rehefa miakatra ny vokatra dia mamerina izy ireo. Nodiovina ihany koa ny lalan-drano izay tsentsina izay, mirefy 60 km ahafahana manondraka tanimbary any amin’ny arivo hekitara. Tanjona ny hampakarana ny tahan’ny famokarana mba ho fambolena mitodika amin’ny tsena anatiny na ivelany, fa tsy ny hohanina fotsiny eto an-toerana”. Mbola namerina ny antso avo amin’ny fiverenan’ny Malagasy amin’ny tany moa ny filoham-pirenena teny ampamaranana, satria io hoy izy no fototry ny fampandrosoana.

Iratra Raitra