19/07/2018

Fahatrarana sokatra tany Morondava : Telolahy atolotra ny fampanoavana anio

Anio no atolotra eo anatrehan’ny fampanoavana any Morondava ireo telolahy voarohirohy tamin’ilay raharaha fahatrarana sokatra miisa 500 nentina tanaty sambo tamin’ny talata lasa teo. Tafiditra ao anatin’izany ny mpanamorin’ilay sambo izay notanana nanaovana adina am-bava avy hatrany. Nalefa any amin’ny tompon’andraikitra misahana ireo biby kosa raha ny loharanom-baovao ireo sokatra manodidina tsy 208 maty, nokasaina aondrana ireo. Raha tsiahivina dia sendran’ny tsy fahatomombanana ara-teknika ity fitaovana fitaterana eny ambony rano izay avy any Maintirano ity ka nijanona teo Morondava. Teo no nandrenesan’ny manodidina ny fofona maimbo navoakan’ireo sokatra maty, izay noheverin’ireto farany ho faty olona. Nampandre ny polisy tao amin’ity distrika ity noho izany izy ireo ka rehefa ny fisavana dia tratra tao ireo harem-pirenena marobe ireo, izay nogiazana avy hatrany .