19/10/2018

Fahatrarana rongony tany Ihosy : Miaramila telo hiakatra fampanoavana anio

Taorian’ny fihainoana azy ireo teo anatrehan’ny mpitandro filaminana, dia atolotra ny fampanoavana anio any Ihosy ireo miaramila miisa telo sy sivily efatra nahatrarana rongony zato gony tany an-toerana ny talata tolakandro lasa teo. Raha tsiahivina ny zava-nisy, dia nentina tao anaty fiara 4×4 miisa telo ireo zava-mahadomelina marobe ireo no nifanenjehan’ny polisy, ary tsy tratra raha tsy tany amin’ny toerana 40 kilometatra miala amin’ity distrika ity. Rehefa natao moa ny fakana am-bavany azy ireo, dia fantatra fa miaramila mitondra ny gradina kaomanda iray sy “adjudant” roa ary olon-tsotra efatra ireo nitondra izany. Nogiazana avy hatrany ireo entana taorian’izay, ary nentina natao fanadihadiana teo noho eo tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ihany koa izy fito ireo. Ankoatra izay voalaza, dia fantatra fa avy any amin’ny faritr’i Betroka, ary saika entina hiakatra eto Antananarivo ireo zava-mahadomelina ireo izao sarona izao. Mbola tsy fantatra kosa ny olona mety handray izany eto an-toerana.

Mialy R.