24/10/2018

Fahafatesana : Nilaozan’i Dame de Cœur ny filalaovana sarimihetsika

Justin Rakotovaoarison no tena anarany, fa Dame de Cœur no ahalalan’ny maro azy eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika. Nilaozan’ity mpilalao ity tanteraka ny filalaovana sarimihetsika. Nodimandry omaly tetsy amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha izay vokatry ny homamiadan’ny havokavoka nahazo azy. Efa ho andro maromaro no tsy nahatsiaro tena izy ary izao niafara tamin’ny fahafatesany izany.

Ankoatra ny maha-mpilalao sarimihetsika azy dia anisan’ny mpanabe ihany koa i Dame de Cœur ary sady filoha no mpanorina ny oniversité tsy miankina « Université Privée de Madagascar » na Uprim izy.

Maro ireo horonantsary efa nahitana ny fandraisan’anjaran’i Dame de Cœur ary anisan’ireny ny « Gidram-pitia », « lolo vokatra », « Radaoro maro anaka »… ary anisan’ireo vokatra farany ny « Tandrify tanana ».

Izahay eto amin’ny gazety Triatra dia mirary fiononana ho an’ny fianakaviana.

 

Miarantsoa