16/11/2018

Eliana Bezaza : « Mihazakazaka hangala-bato ny Mapar »

Tsy ampihambahambana no nanambaran’ny sekretera nasionalin’ny antoko Parti Social-Démocrate na PSD, Eliana Marie Bezaza, fa “mihazakazaka hangala-bato amin’ny fifidianana ny Mapar”.

Voalaza fa efa mifandrirotra amin’ny ady seza amin’ilay governemantan’ny marimaritra iraisana mantsy ireo olon’ny Mapar ankehitriny. “Milaza fa mitolona ho an’ny fanovana ireo solombavambahoaka etsy Analakely, izay ny avy amin’ny Mapar no betsaka. Izy ireo no milaza fa azy ilay praiminisitra vao notendrena, Ntsay Christian. Noho izany, tsy maintsy izy ireo no hibaiko sy hanao an-tery amin’ny fanendrena minisitra amin’izay metimety amin’izy ireo, ahafahany mangala-bato amin’ny fifidianana”, hoy ity sekretera nasionalin’ny PSD ity.

Ankoatra izay, raha ny tsilian-tsofina mantsy, dia miady ny handrombaka avy hatrany ny minisiteran’ny Atitany ny avy amin’ny Mapar satria ao indrindra no ahafahan’izy ireo mangala-bato amin’ny fifidianana. Ny praiminisitra rahateo efa tratran’ny an-tery hatramin’ny nanendrena azy sy nanomboka taorian’ny fifamindram-pahefana amin’ny tsy maintsy handraisana ny olon’ny Mapar ho manodidina azy eny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo.

Izany rehetra izany no mampanahy ny besinimaro ankehitriny, satria dia hifandrirotra amin’ny ady seza hatrany ry Mapar. Mihevitra ny hamerina ny gaboraraka tamin’ny fitondrana Tetezamita mandritra ny fitantanan’ny governemantan’ny marimaritra iraisana, sns.

MN