17/10/2017

Efa mandeha ny famerenana : Andrasana amin’ity herinandro ity ny fahatongavan’i Lalatiana

Efa vonona ny rehetra. Andrasana amin’ity herinandro ity ny fahatongavan’ilay mpanakanto malagasy monina any ivelany, Lalatiana, izay hanolotra fampisehoana maromaro eto an-tanindrazana amin’ity volana oktobra ity. Ireo mpitendry sy mpiangaly feo lafika, hiara-dia aminy amin’ny fampisehoana ataony dia efa niatrika ny famerenana. Anisan’ny seho voalohany ataony amin’izao fandalovany an-tanindrazana izao, ny etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny alahady 08 oktobra izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Mpitendry sy mpihira avy eto an-toerana maromaro no hanara-dia azy amin’io fampisehoana io. Dimy taona lasa izay no nahitana farany an’i Lalatiana tamin’ny seho goavana toa izao, raha teny anivon’ny seho takariva samihafa no nahitana azy tato anatin’ny taona vitsivitsy. Ampolony ireo mpitendry hanara-dia azy amin’io fampisehoana io. Ankoatra ireo zava-maneno efa mahazatra, anisan’ny hanome ainga vao ireo hiran’i Lalatiana ny fisian’ireo zava-maneno tsofina hiangalian-dry Anjaniony, Andriniona ary Andry Mika sy ireo mpitendry zava-maneno misy tadiny. Efa mpiara-dia taminy tamin’ireo seho teo aloha kosa ry Solofo Bota sy Njaka (Vata maroafitsoka), Nini (Amponga maroanaka) ary Henintsoa (Gitara beso).  Efa mpiara-dia aminy amin’ireo seho any ivelany, hanotrona an’i Lalatiana amin’io seho io ihany koa i Rija Randrianavonisoa (Gitara). Tafiditra amin’ny dingana farany amin’ny fanomanana ity seho goavana ity ny fiarahan’izy mianadahy ireo miatrika ny famerenana amin’ireo ekipa efa eto an-toerana. Ezahan’i Lalatiana ho entina amin’ny fampisehoana ireo tsiahy rehetra niainany teo amin’ny sehatry ny mozika, ka hiangaliany ireo hira nanamarika izany.

 

Miarantsoa