21/01/2018

Fanafihana kamiao tao Ambositra-VOAROBA NY 100 TAPITRISA ARIARY

Kamiao iray nitondra olona efatra avy aty Antananarivo  indray no nosakanan’ny jiolahy tamin’ny 07 Septambra 2016 lasa teo tokony  ho tamin’ny roa ora maraina raha handeha hizotra ho any Ambalavao haka omby. Araka ny loharanom-baovao voaray dia nosakanana andian’ olona  tokony ho eo amin’ny folo eo ity kamiao ity rehefa tafavoaka  ny tanànan’Ambositra ka hiditra teo an-tampon’Itsengy tokony miala 10 kilometatra an’Ambositra. Avy hatrany moa dia navoakan’ireto jiolahy ireto ny  olona tao anatin’ilay kamiao ary nasain’izy ireo  navoaka ny vola rehetra, avy eo nampandohalihin’ireto mpangalatra ilay rangahy tompon’ilay kamiao. Navoakan’ity lehibe ny vola tany aminy saingy tsy afa-po tamin’izany ireo jiolahy ka avy hatrany dia nidaroka ity farany ary norahonan’izy ireo hovonoina mihitsy  raha vao tsy mamoaka ilay vata fitehirizam-bola na antsoina ihany koa hoe “coffre” izay tao anatin’ilay kamiao hoy hatrany ny fitantaran’ireo niharan’ny tsy rariny. Tsy nahazaka ny vono nahazo sy nihatra taminy ity rangahy ka dia nanapa-kevitra ny hanoro ihany ny toeran’io zavatra io. Ka tamin’izany dia lasan’ireto mpanafika ireto ny vola mitentina 100 tapitrisa ariary teo ho eo. Ny nampalahelo anefa dia taorian’ny nandroban’ireto tsy mataho-tody ny vola, dia nokapain’izy ireo ny famaky ny lohan’ilay  rangahy ary mbola narahina tifitra variraraka izany. Vokany,  maty ity farany  ary naratra teo amin’ny kibon-dranjony kosa ilay mpamily mpanampy.

Tafaporitsaka

Vaky nandositra niaraka tamin’ny fiara izay nentiny ireto jiolahy  rehefa vitany izay nataony ary   azony izay nilainy. Marihina moa fa napetrak’ireto mpangalatra ireto tsy dia lavitra ny toerana  nanaovan’izy ireo ny fanafihana ilay fiara nampiasainy. Taksiborosy sendra  nandalo,  tokony tamin’ny telo ora maraina no niantso sy nampandre ny zandary ny zava-nitranga ka avy hatrany  ireto farany dia  tonga teny an-toerana vantany vao naharay ny vaovao  nijery ny zava-nisy. Natao ny fanenjehana sy ny fikarohana  ireto jiolahy azo atao hoe efa tena raindahiny sy  kinga amin’ity asa ratsy ity saingy tsy tratra intsony izy ireo fa tafaporitsaka. Noho izany dia nanapa-kevitra ireo zandary ny hanao sakan-dalana  ireo fiara rehetra mandalo sy mifamezivezy  amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Mampanontany tena ny hoe ahoana no nahalalan’ireto olon-dratsy fa misy vata fitehirizam-bola tao anatin’ity kamiao ity? Sa ve  nisy olona akaiky an’ireto niharan’ny fanafihana naman’ireto mpangalatra ireto? Efa  misokatra ny fanadihadiana rehetra  amin’izao fotoana izao ary ho hitantsika  miandalana eo ihany ny mety ho tohin’ity raharaha ity.

  Mialy R.          

1 commentaire sur Fanafihana kamiao tao Ambositra-VOAROBA NY 100 TAPITRISA ARIARY

Leave a Reply

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.