12/12/2017

Fikambanana masoandro mody-NAHAZO FANAMPIANA AVY AMIN’NY VADIN’NY FILOHA

Miisa 308 ireo be antitra voan’ny Alzheimer tezaina ao amin’ny Madagasikara Alzheimer Masoandro mody izay hita etsy Ambohimiandra ankehitriny. Misedra olana goavana izy ireo amin’ny fampihodinana ny fikambanana noho ny tsy fahampian’ny enti-manana ara-bola. Manana fanamby ny hanangana akany lehibe eny amin’ny faritra Atsimondrano izy ireo, tetikasa efa novoizina nandritra ny 23 taona teo ho eo. Ny tany no efa am-pelatanan’izy ireo ankehitriny, eo amin’ny fananganana ny fotodrafitr’asa kosa dia vola mitentina 1.000.000.000.000 Ariary no ilain’izy ireo entina hamitana izay tetikasa goavana izay. Miandry ny tolo-tanana sy fanampiana avy amin’ireo malala tanana ireo beantitra beazina ao an-toerana. Sarotra ihany anefa ny raharaha satria hita fa sahirana ny fianakaviana ny ho amin’ny fiantohana iray manontolo io lelavola voatondro io. Ankehitriny dia manao antso avo amin’ireo malala tanana izy ireo mba hifanohana amin’ny fanatanterahana io tetikasa io.

Inona moa no olana tena mahatonga ny Alzheimer izay?

Tsy fantatra mazava ny fiavian’ity aretina ity efa 100 taona mahery izao araka ny fanazavana nentin’ny filoha mpanorina ny fikambanana Masoandro mody, Ramatoa Yollande. Na izany ary dia ny fisorohana no azo atao sy ny fikolokoloana ireo be antitra mba tsy hiharatsy ny aretina. Tsy tokony hipetraka irery sy mila tambitamby toa ny zazakely ireo be antitra araka ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitra. Ao amin’ny Masoandro mody dia misy ireo filamboly maro be izay ataon’izy ireo sady entina hanaovana fitadiavam-bola hampihodinana ny fikambanana ihany koa. Ao ireo mahay zaitra, ao ihany koa ireo manana talenta maro samihafa ka mampiasa izany mba hamokarana vokatra atolotra ireo mpanjifa. Ankalazaina amin’ity volana ity moa ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ireo voan’ny Alzheimer. Manoloana izay dia nitondra fanampiana ho an’ireo be antitra ao an-toerana omaly tolakandro ireo delegasionina avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina. Nahitana vary, siramamy, lamba, sy biscuit ary ronono tao anatin’ireo fanampiana. Olona miisa 100 no misitraka ity fanampiana avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena izay natao ho marika fotsiny ihany fa eo ihany koa ny fanamby ny amin’ny mbola hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana sy ny vadin’ny filoham-pirenena izay. Ankoatra izay dia olona miisa 30 ihany koa no notolorana fanampiana tao amin’ny Fikambanana Akany Finaritra, notolorana fanampiana ihany koa omaly tolakandro. Izao no marika fa tsy manadino ireo be antitra izay loharano nipoirana ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina.

N.I

265 commentaires sur Fikambanana masoandro mody-NAHAZO FANAMPIANA AVY AMIN’NY VADIN’NY FILOHA

  1. I see your page needs some unique content. Writing manually is time consuming, but there is solution for this hard task.
    Just search for; Miftolo’s tools rewriter

  2. How To Buy Cialis Cheap Achat De Lioresal Cheap Hydrochlorothiazide Medication Secure On Line Canadian Pharmacies Imitation Cialis 800 Number viagra Propecia Front Forehead Cialis Online India How To Get Cialis In Canada

  3. I see your site needs some fresh & unique content. Writing manually is time consuming, but
    there is solution for this hard task. Just search for:
    Miftolo’s tools rewriter

  4. President Obama is executing a outstanding undertaking therefore significantly and he is made up of my finish company in just the coming election as a result that he can proceed in direction of contribute our high-quality nation. He is yes a fantastic President!

  5. I think your page needs some fresh posts. Writing manually takes a lot of time, but there is tool for this
    time consuming task, search for; Boorfe’s tips unlimited content

  6. I have noticed you don’t monetize your blog, don’t
    waste your traffic, you can earn additional
    cash every month because you’ve got high quality content.
    If you want to know how to make extra $$$, search for:
    Boorfe’s tips best adsense alternative

  7. I see you don’t monetize your site, don’t waste your traffic, you can earn extra bucks every month
    because you’ve got hi quality content. If you want to know how to make extra bucks, search for:
    Boorfe’s tips best adsense alternative

  8. I have checked your website and i have found some duplicate content,
    that’s why you don’t rank high in google’s search results, but there is a tool that can help
    you to create 100% unique content, search for: Boorfe’s tips unlimited content

  9. I have checked your site and i’ve found some duplicate content, that’s why you don’t rank high in google, but there is a tool that can help you to create 100% unique content, search for;
    Boorfe’s tips unlimited content

Leave a Reply

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.