17/01/2019

Disadisa nahafaty olona : Lehilahy iray voasambotra

Andro vitsy ihany dia voasambotry ny zandary ny tovolahy iray tompon’antoka tamin’ny tsatok’antsy, nandratrana olona iray ka nitarika fahafatesana, tany amin’ny fokontany Ahevy, kaomina Ampasimbe distrikan’i Brickaville, ny alin’ny alatsinainy faran’ny taona lasa teo. Voampanga ho nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana ny lehilahy iray 17 taona ny tenany taorian’ny fitsirihana ny razana, izay hita faty ny marainan’io teny an-dalana. Taorian’ny famotorana sy ny fakana am-bavany, dia nanaovana fanadihadiana avokoa ny olona tao an-toerana, izay mety mahafantatra ny zava-nitranga ny andro mialohan’ny taom-baovao io. Fifamaliana niseho tao amin’ny toeram-pisotroana iray noho ny antony tsy voafaritra mazava, ka niafara tamin’ny tsindron’antsy. Nanokatra fanadihadiana ny avy eo anivon’ny zandary tany an-toerana, vantany vao nahare fampandrenesana momba ny fahitana ny fatin’ity tovolahy hitan’ny mpandalo teny amoron-dalana. Tsy fantatra kosa tamin’izany ny olona nahavanona ny loza. Heno taorian’izany fa nisy disadisa sy fifamaliana narahina vono no nitarika fifamonoana tany amin’ny toeram-pisotroana teny amin’io fokontany io, ka nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo, ilay hita teny an-dalana no namoy ny ainy tamin’izany, izay efa rakotra tsatok’antsy maro ny vatany. Nisy olona vitsy nalaina am-bavany tamin’izany, ka ity lehilahy iray ity no voatondro ho nandray anjara tamin’ny famonoana. Tsy afa-bela teo anatrehan’ny mpitandro filaminana ralehilahy, fa nosamborina tao amin’ny trano fonenany. Mitohy hatrany ny fanadihadiana ankehitriny.

Valérie R.