23/06/2018

Dimy lahy nitondra kalach : Naka an-keriny karana tompona “quincaillerie”

Teratany karana, mpambongady amina “quincaillerie” ao Tanamakoa no nalaina dimy lahy misaron-tava sy nitondra basy kalaky an-keriny omaly  tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Tao amin’ny fokontany Ampasimazava, kaominina ambanivohitr’i Toamasina I no nitrangan’izany.  Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia teo amin’ny 50 metatra avaratry ny “Resto pacifique”  no nangalan’ireo olon-dratsy ireo an-keriny io teratany karana io. Ankotra ireo fitaovam-piadiana ireo, dia nitondra fiara 4×4 Suzuki vitara miloko manga sy fiara Renault Express  ihany koa ireo jiolahy ireo tamin’ny fanatanterahana io “kidnapping” io. Rehefa vitan’ ireo olon-dratsy  izay nilany azy, dia navelan’izy ireo teny akaikin’ny fiangonana “Notre Dame”  ilay  Renault Express, raha toa ka najanon’izy ireo manoloan’ny Alia  Hotel ilay fiara tsy mataho-dalana.  Rehefa natao ny fisavana, dia nahitana bala miisa roapolo izay  mirefy 7,62 milimetatra tao anatin’ilay fiara Renault express. Misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha “kidnapping” karana ity ary efa miparitaka eran’ny tanàna  ihany koa ireo zandary sy ny polisy amin’ny fikarohana ireo jiolahy mpaka an-keriny ireo.  Mirongatra ny “kidnapping” ao an-tanànan’i   Toamasina ary hatreto, dia ireo teratany karana hatrany no tena lasibatra. Vao haingana no nahitana tranga momba izany tany an-toerana, dia izao efa misy hafa tratra izao indray. Tsy mahagaga raha mbola tsy mety voafehy mihitsy ity asa ratsy ity eto an-drenivohitra sy ao Toamasina , noho  ny tsy fisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fianakaviana hiharan’izany sy ny mpitandro ny filaminana. Tambazotra matanjaka iray izay efa hary fitaovana sy havanana amin’ity asa ratsy ity ihany koa no heverina fa ao ambadik’izany.   Ho hita miandalana eto ihany ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha.

Mialy R.