19/12/2018

Didec : Mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna

Raha natao andro tsy hiasana, tsy hianarana ny andron’ny fifidianana omaly, araka ny didim-panjakana nivoaka dia fantatra fa mbola nisy sekoly ihany nandingana izany lalàna izany. Izany hoe, nanohy ny fampianarana hatrany ary maraina sy hariva mihitsy. Fantatra fa ny sekoly Katolika, teny Ambohipeno, kaominina Ambohimanambola, distrikan’Avaradrano no nanohy ny fampianarana hatrany. Araka ny fanazavana voaray, vao tsy ela ry zareo no nanomboka ny fampianarana tao amin’ity sekoly ity ka manenjika programa no antony tsy nanampahana ny fianarana. “Ny alatsinainy 5 novambra teo no niditra ny sekoly katolika sasany raha amin’ny herinandro kosa ny ambiny. Tsy niteny izahay mampianatra na tsia mampianatra fa izahay no mandamina ny fotoanan’ny mpampianatra mandeha mifidy”, hoy ny fanazavana avy amin’ny Didec na ny fikambanan’ny sekoly katolika eto amin’ny Diosezin’Antananarivo. Mampanontany tena ihany izany hoe, ivelany fanjakana ve ny sekoly katolika sa tsia satria efa didim-panjakana mihitsy no milaza fa tsy andro hiasana fa handraisana karama ny andro omaly ary tsy andro hianarana ihany koa saingy minia mandika izany ny Katolika. Izy indray no mampianatra ny rantsamangaika ao aminy tsy hanaran-dalàna nefa tokony ho modely. Tsy vao izao fa efa hatramin’izay mihitsy ny Katolika no mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna. Niseho izany tamin’ny fotoana niparitahan’ny valan’aretina pesta aretin-tratra tamin’ny taona 2017. Raha namoaka didy ny fanjakana fa tsy mianatra ny mpianatra mandra-pahafehy ny aretina tamin’izay fotoana izay dia nitsipaka izany fanapahan-kevitra izany tanteraka ny Didec ka nisafidy ny hiverina an-tsekoly ihany. Mitovitovy amin’izay ihany ity fanapahan-kevitra noraisin’ny Katolika ity. Ivelany fanjakana ve izany ny Didec sa fanjakana ambonin’ny fanjakana?

Laurena Nany