12/12/2017

Coliséum Antsonjombe : Hizara kits scolaires ny Filoha mivady

Raikitra indray ny fizarana « kits scolaires » ataon’ny Filoha Rajaonarimampianina mivady manerana ny Nosy. Rehefa samy nahazo ny anjarany avy ireo mpianatra any amin’ny faritra sasantsasany, dia anjaran’ny eto an-drenivohitra indray no misitrika izany, androany 15 novambra, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Mampiavaka ny fizarana amin’ity indray mitoraka ity, hatramin’ireo mpianatra eny ambaratonga faharoa no hahazo ny fitaovam-pianarana, raha toa ka, ny ankizy eny amin’ny EPP hatrany no nahazo izany teo aloha teo. Ity fizarana fitaovam-pianarana, izay ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery sy ny vadin’ny Ramatoa Rajaonarimampianina Voahangy entina hifanolorana tanana amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpianatra ho fitsinjovana ny ho avy. Ny Filoham-pirenena izay manao vaindohan-draharaha hatrany amin’ny fanabeazana eto Madagasikara, noho ireo, kitro hifaharan’ny fampandrosoana ny firenena, ka mila tosika. Ary araka ny efa nambaran’ny Filoha ihany koa, dia tsy andraikitrany irery no mampandroso ny firenena,  fa ny rehetra miaraka no hampandroso ity firenena ity.

 

 

L.N