23/04/2018

Claudine Razaimamonjy : Misy lalàna ny famangiana azy

Niezahana naely hatrany ny tsaho teto andrenivohitra ilazana fa tsy etsy amin’ny hopitaly HJRA intsony i Razaimamonjy Claudine taorian’ny fiverenany avy  nitsabotena tatsy amin’ny nosy  Maorisy. Nisy mihitsy aza ireo mpahay lalàna izay nanao fanahiniana  nizaha ifotony io valim-panotaniana io teny amin’ny hopitaly ny sabotsy lasa teo, saingy efa fantatr’izy ireo ny lalàna, fa ilana fahazon-dalana manokana izany. Ny fanambarana  nataon’ny sendika ny mpitsara izay tsy rafi-pitsarana mpanao fanadihadiana, taorian’io fandehanan’izy ireo tetsy amin’ny HJRA  ka tsy nahazoany fahafaham-po io no nampandeha ny resaka fa tsy  ao an-toerana intsony i Claudine Razaimamonjy. Noho ireo resabe sy tsaho inihana aely  ireo  no nahatonga ny fampanoavana nandray ny andraikiny izay notarihin’ny lefitry ny tonia mpampanoa lalàna voalohany Razafindralambo Didier Alban omaly, nizaha ifotony teny amin’ny hopitaly HJRA   nanamarinana izany. Vokatr’io fizahana ifotony io dia hita fa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny HJRA tokoa i Claudine Razaimamonjy ary ao amin’ny “réanimation medical” no mandray an-tanana ny fanaraha- maso ny fitsaboana azy. Noho ny tsy fahampian’ny toeram-pandraisana marary kosa no namindrana azy ao amin’ny sampana ‘’Neuro-Chirurgie”. Amin’ny mbola maha voafonja azy kosa dia mbola tazana eny an-toerana ireo mpiandry fonja miandry sy manara-maso azy araka ny voafaritry ny lalàna .

Na dia eny amin’ny hopitaly manaraka fitsaboana aza Razaimamonjy Claudine dia mitovy amin’ireo voafonja rehetra ny fepetra raisina sy mihatra aminy, hoy hatrany ny lefitry ny tonia mpampanoa lalàna omaly.  Noho izany, tsy tahaka ny olon-tsotra izy ary misy ny antanantohatra arahina sy taratasy tokony hatao raha toa ka misy ny famangiana sy ny faniriana hihaona aminy. Isan’ny fantatry ny rehetra ohatra ny fangalana ilay antsoina hoe ‘’permis de communiqué’’ izay tokony hananana raha toa ka hijery ny marary. Io antontan- taratasy io izay any amin’ny mpitsara voalohany mpanao famotorana no angatahana azy. Ho an’ny mpitsara kosa indray, dia mazava ny voafaritry ny lalàna mifehy azy ireo, fa misy ilay antsoina hoe ‘’ordre de mission’’ mazava vao afaka mijery sy mihaona amin’ ny voafonja ny mpitsara iray  na io eny Antanimora na io eny amin’ny hopitaly. Noho ny  didy izay nivoaka teny anivon’ny fitsarana mijirika ny ady amin’ny kolikoly na ny ‘’chaine pénal’’ , ary noho ny raharaha izay efa eo anivon’ny fitsarana, dia misy ny fepetra manokana   noraisina. Izany hoe ilana solontenan’ ny mpitsara iray avy ,avy amin’ ireo rantsam-pitsarana ireo vao afaka mihaona amin-dramatoa  Razaimamonjy Claudine.

Isan’ny nanotaniana ny tompon’andraikitra voalohan’  ny HJRA koa ny  mikasika ny fe-potoana mbola hitsaboana an-dRazaimamonjy Claudine tena eny amin’ny hopitaly. Io izay nambaran’ny profesora Olivat Rakoto Arison talen’ny hopitaly fa tsy voafetra ary miankina tanteraka amin’ilay aretin’ny marary tsaboina. Ny aretina izay manjo an-dramatoa Razaimamonjy Claudine kosa anefa izay iarahan’ny rehetra mahalala fa tsy azo atao  ny mamoaka azy, araka ny voarakitry ny lalàna mifehy ny fahasalamana. Ny fitsarana mahefa kosa anefa no hanaovan’ny mpitsabo ny tatitra rehetra mikasika ny fitsaboana. Izy ireo indray no mandray ny fanapahan-kevitra izay raisina mifandraika amin’izay tatitra izay.

Araka ny efa voalaza etsy ambony, dia faritan’ny lalàna ny fijerena an-dRamatoa Claudine ao amin’ny Hjra. Izahay teto amin’ny gazey Triatra, dia nametraka fangatahana fahazoan-dalana tany amin’ny minisitry ny Fitsarana sy ny minisitry ny Fahasalamana, ka nivaly omaly izany fangatahana izany, àry izany no nahafahanay nanao izao fanangonam-baovao izao.

Iratra Raitra