19/12/2018

Ceni sy Hcc : Tsy voatery hitovy ny vokatra

Isan’ny nanahirana hatramin’ izany ny tsy fitovian’ ny vokatra havoakan’ ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana sy ny fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana. Noamafisin’ ny filohan’ ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana io omaly, nambarany fa “ tsy voatery hitovy ny vokam-pifidianana avy amin’ ny Ceni sy ny Hcc, ny antony dia manana halalana hanitsy izany ny fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana” hoy izy. Marina tokoa izany fa manana halalana hanitsy ny vokatra ny fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana, saingy kosa tsy nisy hatramin’ izany ny fanazavana mazava sy antony ka mampisavorovoro ny sain’ny rehetra. Raha ny fanazavana nomen’i Jean Eric Rakotoarisoa hatrany, dia mihainga amin’ ny fitoriana tonga eo amin’ izy ireo no hafahana mijery ny fanitsiana atao. Ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana kosa, dia tsy afaka manao io fanitsiana io satria tsy mahefa amin’ izany izy ireo.

Iratra Raitra