19/08/2018

Cci ivato:MPIANATRA 2 000 NORAISIN’NY FILOHAM-PIRENENA

Mpianatra miisa 2 000 avy amin’ny sekolim-panjakana avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara no nihaona tamin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly tolakandro tetsy amin’ny CCI Ivato. Manana anjara goavana ao anatin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ireo ankizy mpianatra. Ho avin’izy ireo no banjinina isaka ny famokarana tetikasa iray. “Fanantenana goavana sy varavarana misokatra ho an’i Madagasikara ny fahavitantsika ny fandraisana ny fihaonam-ben’ny frankofonia andiany faha-16” raha ny nambaran’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina. Afa-po tamin’ny fikarakarana vitantsika ireo mpandray anjara rehetra tonga niatrika ny fihaonamben’ny Frankofonia. Tsy atao diso anjara amin’ny fihaonamben’ny frankofonia ireo ankizy mpianatra, izy ireo no handova ireo foto-drafitrasa rehetra napetraka ho an’i Madagasikara. Ho reharehan’izy ireo ihany koa ny fanatsarana ny fifandraisantsika amin’ireo firenena maro.  Nohantintraterina sy notantaraina tamin’ireo mpianatra tonga teny an-toerana ny fizotran’ny fihaonana sy ny lanonana rehetra. Ireto mpianatra moa izay efa nentina nitsidika ny « village de la francophonie » ny alahady lasa teo. Afa-po tanteraka tamin’ny fialan-tsasatra kely natolotra azy ireo ireto mpianatra. Izy ireo izay sady mitovo fahalalana no afaka niala voly nahafantatra zava-dehibe ao anatin’ny drafi-pampandrosoana ny firenena. Maromaroa ny toa izao raha ny nambaran’ireo mpianatra. Goavana ny tombontsoa sitrahan’i Madagasikara tamin’ny fahavitana soa aman-tsara ny fandraisana ny fihaonamben’ny Frankofonia izao. Raha tsy hilazana ireo fotodrafitrasa maro natsangana manokana niatrehana izany, mivelatra tanteraka ihany koa ny fikarohana tsenam-barotra noho ny fanamafisana fiaraha-miasa amin’ireo firenena maro. Ny tena zava-dehibe dia ireo tombondahiny ho sitrahana eo amin’ny lafiny ara-toekarena.

N.I