17/10/2018

Bypass : Lehilahy maty nofaohan’ny taksibe Sprinter

Tovolahy iray 26 taona no maty tsy tra-drano, rehefa nofaohan’ny fiara taksibe Sprinter teny Bypass akaikin’ny tranombarotra Gastronomie Pizza omaly tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Ny faritry ny lohan’ity niharan-doza ity no voadona mafy, ka izay no noheverina ho nitarika ny fahafatesany teo noho eo. Araka ny fanamarinam-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena tonga nijery ifotony ny zava-niseho, dia nipoitra tampoka taorian’ ny kamio nifanena tamin’io fiara fitateram-bahoaka zotra nasionaly io ity niharam-boina ity, ka tsy hitan’ny mpamily ary izao voafaoka mafy izao. Araka ny fanampim-baovao hatrany, dia teo amin’ny handrin’ity lehilahy voalaza fa mipetraka eny Antaninandro, fokontany Andranomafana ity no voadoan’ny “rétroviseur” an’io taksibe Sprinter io, ka nahatonga azy nitsirara avy hatrany tamin’ny tany. Nihoraka avokoa ny olon-drehetra nanatri-maso ny zava-nisy raha nahita ny ràn’ity niharan-doza nandriaka eraka ny arabe.

Ankoatra ny tsy fahitan’ny saofera io lehilahy takona tao ambadiky ny fiara vaventy io, dia fantatra tamin’ny fanamarihana ny loza nataon’ny mpitandro filaminana teny an-toerana ihany koa fa nandeha mafy io fiara Sprinter io. Noporofoan’ny fisian’ny faritry ny kodiarana noho ny fijanonana tampoka sy ny fahafatesan’ity voadona teo noho eo ity ihany koa izany. Nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo, dia nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’iny lalan’i Bypass iny. Tao ireo naratra mafy, tao ihany koa ireo simba fananana noho ny tsy fitandremana amin’ny ankapobeny, ary ity vao namoy ny ainy omaly antoandro ity.

Mialy R.