19/12/2018

Betafo : Olona iray matin’ny Sprinter

Rangahy iray indray no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fiara Sprinter miisa roa tany Anjazafotsy Betafo, omaly alakamisy tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Mpandeha miisa 15 kosa no naratra mafy vokatr’izany. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia fiara Sprinter mampitohy an’Antsirabe sy Miandrivazo no nifandona tamina fiara Sprinter an’olon-tsotra teo amina fiolahana iray. Nilaza ireo mpandeha tao anatin’io taksiborosy io fa nandeha mafy no sady niditra am-povoany io fiara nifanehitra tamin’izy ireo io ka izao nitera-doza izao. Ankoatra ilay namoy ny ainy, dia mpandeha miisa 15 no naratra mafy ka zaza ny 04 tamin’izy ireo. Ny fampitam-baovao ihany no nahafantarana fa noho ny hamafin’ny dona teo amin’ny faritry ny loha sy ny tanana ary ny tongotra, dia misy amin’ireo niharan-doza mbola manaraka fitsaboana ireo no atahorana mafy ny ainy. Mbola nifampisokirana hatramin’ny omaly hariva kosa raha ny fantatra ilay karana nitondra ilay sprinter iray sy ny tovovavy niaraka taminy, izay tsy fantatra na maty na velona.

Mialy R.