21/01/2018

« Beso mitafa » : Nampidera ny fahaizany gitara beso i Silo, Radanz ary Harty

Fiarahana tsy fahita firy. Mpitendry telo, samy manana ny tarika misy avy no niara-dia tamin’ilay seho takariva « Beso mitafa » notanterahina tetsy amin’ny Piment Café Behoririka ny alin’ny zoma lasa teo. Nampidera ny fahaizan’izy ireo mifehy ny gitara beso i Silo, Radanz ary Harty. Raha samy manana ireo karazan-kira lalaoviny sy mahazatra azy ny tsirairay, nivelatra tamin’ny gadon-kira maro ny fiarahana tamin’io takariva io, niainga tany amin’ny « Blues » ka hatrany amin’ny « Rock », nandalo ny « electro », « Funk », « Jazz »… Nameno ny gitara beson’izy telo mirahalahy, ary nanome aina ireo hira niangalin’izy ireo ny trompetra notsofin’i Tsana sy ny amponga maroanaka niangalin’i Faniry Marcus sy Mirana (tarika Dizzy Brains). Afaka nampiseho tamin’ity fampisehoana ity ry Silo sy ny namany fa manana anjara toerana goavana ao anatin’ny mozika ny gitara beso, nefa ihany koa afaka havoitra sy hasongadina manokana tsy miaraka amin’ireo zava-maneno fototra. Nitondra ny talentany teny an-tsefatsefany teny tamin’ny fanaingoana ireo hira natolotr’izy ireo ny vata maroafitsoka niangalin’i Silo. Anisan’ny zava-baovao teo amin’ny seho takariva io fiarahana io, ary nanome fahafaham-po ireo mpijery tonga maro nijery ny seho. Tsy nampoizina rahateo ny fomba nampiarahan’izy telo mirahalahy ireto ny talentany, izay nampientana ireo mpijery sy nampitsangana azy ireo nandihy. Maro tamin’ireo mpijery no miandrandra fampiarahana talenta toa izao, indrindra ireo mpitendry efa manana ny mozika voiziny, ka miala amin’ny gadona efa mahazatra azy.

Miarantsoa