21/02/2019

Beroroha : Zaza 06 taona maty notifirin’ny dahalo

Olona roa no indray namoy ny ainy vokatry ny tifitra variraraka nataona dahalo tany amin’ny fokontany Vohimary , kaominina Belitsaky, distrikan’i Beroroha ny 28 aprily lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora maraina , ka isan’izany ny zaza iray vao 06 taona monja. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dia nitrangana halatr’omby miisa 58 nataona dahalo miisa 35 nirongo basy tany an-toerana tamin’io andro io. Nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy vantany vao azon’izy ireo izay nilainy. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ihany koa ireo zandary sy ny fokonolona, ka rehefa nifanehitra ny andaniny sy ny ankilany, dia raikitra ny fifandonana sy ny fifampitifirana izay naharitra teo amin’ny ora iray teo. Vokany, zaza iray 06 taona sy olona iray hafa 52 taona no matin’ireo malaso izay nanenjana hatramin’ny farany. Tsy namelan’ny mpitandro filaminana ihany koa anefa raha tsy nahalavo iray tamin’ireo dahalo izy ireo. Marihina fa tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby halatra. Mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Mialy R.