15/08/2018

Behoririka : Mahazo vahana ny halatra finday anaty botika

Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo roalahy voarohirohy tamin’ny halatra finday tao amin’ny mpampiasany teratany sinoa, taorian’ny nanolorana ny raharaha teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana teny amin’ny fampanoavana. Nahazo vahana tanteraka indray mantsy tato ho ato ny halatra finday sy ireny fitaovana ara-teknolojia ireny mivantana any anaty tranombarotra, indrindra ny eny Behoririka. Fanindroany sahady izao no nisehoan’ny zavatra toa izany teny an-toerana raha ny fampitam-baovao, izay vao tsy ela akory no nampidirana am-ponja ireo efa-bavy tratra nangalatra finday tanaty tranom-pivarotana iray. Saika mateti-pitranga indray ity toe-javatra ity tato anatin’ny voalohandohan’ny volana martsa nankaty raha ny loharanom-baovao voaray. Niaiky ny helony avy moa ireto roalahy rehefa voasambotra teny Behoririka, ny alakamisy lasa teo. Fantatra tamin’izany fa mpiasa ana sinoa tao amin’ny botika mivarotra fitaovana elektronika ihany ireto roalahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra finday avo lenta tao amin’ny mpampiasa azy ireto, izay notombanan’ilay sinoa tamin’ny fitoriany fa mitentim-bidy eo amin’ny 60 tapitrisa Ariary ny finday very tao aminy nandritry ny volana maromaro. Tsy vao sambany ihany koa no nahaverezana finday tao amin’io botika hiasan’izy ireo, saingy tsy fantatra mazava ireo olon-dratsy, hoy hatrany izy nanazava. Nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro filaminana avy etsy Tsaralàlana avy hatrany ity sinoa iray, izay lasibatry ny asa ratsy nataon’ireto voalaza fa mpiasa ao amin’ny botika hivarotany finday eny an-toerana ihany. Nanamafy araka izany ity tompon’ny tranombarotra ity fa tratra teo am-pangalarana ny finday avo lenta marika “tecno” ny iray tamin’ireto mpiasany, ka ity farany indray no nanondro ny namany iray atidoha taminy, tamin’ny asa ratsy miaro fanararaotana. Tamin’izany no nahafantarana fa ireo roalahy avokoa no nanararaotra nangalatra ny finday rehetra isan’ny very tao amin’io botika iray io. Nolazain’izy ireo tamin’ny fanadihadiana fa izy roalahy ihany no atidoha nikotrika nahatanteraka izany, ary amidy mora eny amin’ny sisin-dalana indray ireo finday halatra.

Valérie R.