24/06/2018

Baomba teny amin’ny Jumbo Smart Tanjombato : Mbola mampihorohoro amin’ny finday ireo jiolahy

Mbola nitohy hatramin’ny omaly ny fandrahonana tamin’ny alalan’ny sms sy antso an-telefaonina nataon’ireo olon-dratsy nametraka baomba vita tanana teny amin’ny trano fivoahan’ny lehilahy eny amin’ny Jumbo Smart Tanjombato, ny alakamisy hariva lasa teo. Ny tompon’andraikitra ao amin’ity toeram-piantsenana lehibe ity no nampitahorin’izy ireo hatrany, ary nilazany fa raha tsy mandefa ilay vola 10 Tapitrisa Ariary takiany, dia hapoakan’izy ireo, ireo baomba ao an-toerana. Nambaran’ireo mpampihorohoro ireo mantsy fa ankoatra ilay baomba tao amin’io toeram-pivoahana io, dia mbola misy roa hafa ao an-toerana. Nanao ny fikarohana rehetra ireo zandary sy polisy omaly tontolon’ny andro, saingy tsy nahita na inona na inona tao amin’ity toeram-piantsenana ity. Efa nandeha ihany koa moa ny fanadihadiana lalina sy ny fitadiavana ireo olon-dratsy tamin’ny alalan’ilay nomerao nampiasain’izy ireo, saingy mbola tsy nahitam-bokany izany hatreto. Nanamafy kosa anefa ireo tompon’andraikitry ny filaminana fa tsy maintsy hita sy fantatra na ho ela na ho haingana ny ao ambadik’izao fampihorohoroana izao. Tsy nisy nahazo niditra tao an-toerana moa ireo mpiasa rehetra tao amin’ny Jumbo Smart Tanjombato io omaly io. Efa notanterahin’ireo manam-pahaizana manokana amin’ity fitaovana ity avy ao amin’ny tafika ny alin’ny alakamisy lasa teo ihany koa ny fanapoahana ilay baomba natao tanaty baoritra mainty tao amin’io trano fivoahana io. Tsy maintsy notapahina avokoa noho izany ny jiro rehetra teny an-toerana.

Mialy R.