14/08/2018

Baolina kitra : Maro ireo toerana manolotra hetsika ho an’ny « Mondial 2018 »

Hetsika iray hiarahan’ireo mpinamana sy mpankafy baolina kitra ny fanarahana ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny baolina kitra atao any Russie. Maro ireo toerana eto an-drenivohitra no manolotra hetsika manokana ho an’ireo manana fikasana hiaraka hijery ireo lalao samihafa. Nanomboka tamin’ny 14 jona ny sasany,ary nanomboka tamin’ny ampahavalon-dalana ksoa ny hafa. Ny iraisan’ny rehetra dia ny fametrahana fahitalavitra lehibe hanarahana ireo lalao samihafa. Efa nanomboka ny 14 jona ny « Bolelchtchik » etsy amin’ny La City Ivandry. Toa izany ny etsy amin’ny La Casa Lounge Bar, ny Trass Tsiadana, ny kudéta Urbain etsy Anosy… Misy ihany koa anefa ireo tanterahina amin’ny kianja malalaka toa ny eny Antanikatsaka Itaosy. Ankoatra ny fanarahana ny baolina kitra, dia misy hatrany ireo hetsika samihafa manodidina ny baolina kitra, toa ny lalao amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana, kilalao samihafa izay hanolorana loka samihafa. Miara-dia hatrany amin’ny hetsika toa ireny ny fisian’ny zava-pisotro sy ny tsakitsaky samihafa.

Miarantsoa