21/04/2018

Banky Foiben’i Manakara : Taiza ny Frantsay sy ny Amerikana?

Miditra lalina amin’ny fiainana anatin’ny firenena ry zareo Amerikana sy Frantsay taorian’ny raharaha Claudine ary toa miampanga ny fitondrana mihitsy aza. Marihana ety am-boalohany fa mpandraharaha tsotra i Claudine ary miara-manaiky isika fa sambany hatramin’ny niforonany tamin’ny taona 2004 vao afaka niasa tao anatin’ny fahalalahana ny Bianco. Eo indrindra no ametrahana fanontaniana amin’ny governemanta amerikana sy frantsay ny amin’izao fitsabatsabahana ataony amin’ny fiainana anatin’ny firenena izao.

Niaraha-nahalala ny halatra vola mitentina 63 miliara tao amin’ny Banky Foiben’i Manakara ny taona 2007. Moa ve nanangan-tanana ny Amerikana sy Frantsay ka nanery ny fitondrana Ravalomanana Marc hanenjika sy hisambotra an’i Louis Ranjeva? Nitaky ny fampiharana ny lalàna ve izy ireo tamin’izany fotoana izany? Adihevitra tsy misy fiafarany ihany koa ohatra ny momba ny fandaniana ao amin’ny JIRAMA ka nahatonga ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena tsy manaiky intsony ny fanampiana ity orinasa mpamokatra herinaratra sy rano ity. Koa nahoana no tsy nanangan-tanana ny Amerikana sy ny Frantsay momba ny raharaha Ravatomanga izay efa eny am-pelatanan’ny Bianco? Nisy hatrany ny halatra vola be aman-jatony miliara isaka ny misy korontana teto amin’ny firenena raha tsy hiresaka afa-tsy ny tamin’ny taona 2009. Moa ve mba nangataka ny hanenjehana an-dRavalomanana Marc momba ny Banky Foibe tao Mahajanga ny governemanta amerikana sy frantsay? Nitentina 1800 miliara Iraimbilanja ny vola azo tamin’ny orinasa Wisco tamin’ny famarotana ny vy ao Soalala. Nampiaka-peo tamin’ny fandaniana izany vola be izany ve ireto firenena vahiny roa ireto? Mba nametra-panontaniana mikasika ny fomba nanomezana ny tsena ho an’ireo orinasa nanamboatra ireo hopitaly manara-penitra ve ny Bianco?

Tsy azo ampitahaina akory ny raharaha Claudine sy ny Banky Foibe tao Manakara: ny voalohany mpandraharaha tsotra, ny faharoa kosa halatra mazava tsara izao ary ny volan’ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena no nangalarina. Nimenomenona tamin’ny delestazy avokoa ny olom-pirenena manerana ny Nosy ary nitarika fandrobana ny JIRAMA tany amin’ny Faritra sasany mihitsy aza izany. Koa nahoana no navela fotsiny amin’izao ny raharaha Ravatomanga Mamy teny amin’ny Bianco? Nahoana no tsy nosamborina tahaka ny natao tamin’i Claudine?

Etsy an-danin’izany, kolikoly avy hatrany no azo ilazana ny fanomezana nataon’ny governemanta amerikana sy frantsay ho an’ny Bianco. Eken’ny governemanta amerikana ve ohatra raha i Afghanistan ohatra no manome fiara sy solosaina ny Fitsarana Ambony any Etazonia? Toraka izany koa ny mikasika an’i Lafrantsa, iza no tsy mahalala ny raharaha François Fillon kanefa mbola ekena ho kandidà filoham-pirenena, tsy lazaina intsony ny momba ny filoha Amerikana Donald Trump izay mampiteny ny moana ankehitriny.

Taolam-pifika

Mipetraka koa ny fanontaniana ankehitriny manao hoe: « inona moa no mba nentin’izany Amerikana sy Frantsay ho an’ny vahoaka malagasy nandritra izay 57 taona izay?”. Vao avy nisedra rivodoza ny firenena, Malagasy firy no tsy manan-kohanina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Enawo. Ohatrinona anefa no mba nomen’ny governemanta frantsay sy amerikana hanampiana ireo vahoaka sahirana ireo? Tsy nisy afa-tsy “taolam-pifika” izay raha fehezina no mba azon’ny Malagasy tamin’i Lafrantsa sy Etazonia koa satria manelingelina ny fihinanan’izy ireo teto nandritra izay 57 taona izay ny fiaraha-miasan’ny fitondrana ankehitriny amin’i Sinoa dia izao itadiavana fomba hanakorontanana azy izao.

Tsy zakan’ny sain’i Amerikana sy ny Frantsay iny dian’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Sina teo iny ary efa fantatry ny mpanara-baovao sy ny mpandinika izao fihetsik’izy ireo izao. Isan’ireo filoha noraisin’ny fanjakana sinoa tamin’ny fomba manetriketrika ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ary fantatry ny Frantsay sy ny Amerikana tsara fa hihazakazaka aoka izany ny fandrosoan’i Madagasikara aorian’izao fiaraha-miasa amin-dry zareo Sinoa izao. Efa maro ireo firenena afrikana no nitodi-doha tamin’i Sina ary tao anatin’ny fotoana fohy dia azo notsapain-tanana ny fampandrosoana. Manelingelina an-dry zareo Frantsay sy Amerikana zatra nanjanaka izany satria ho very fihinanana.