16/11/2018

Bakalorea Toamasina : Niakatra ny taham-pahafahana

Nivoaka omaly alarobia tokony ho tamin’ny 5 ora hariva ny valin’ny fanadinana bakalorea 2018 ho an’i Toamasina, raha ny omaly ihany no natao ny “délibération”. Niakatra ny taham-pahafahana any an-toerana, araka ny vaovao voaray. Ho an’ny bakalorea ankapobeny dia 37,69 isan-jato ny taham-pahafahana, izay nahitana fiakarana 4,63 isan-jato raha noharina tamin’ny taona 2017 satria 33,06 isan-jato. 42,99 isan-jato kosa ny taham-pahafahana ho an’ny bakalorea teknika, ary 61,84 isan-jato ny bakalorea teknolojia. Androany no voalaza fa hivoaka ny tahan’ny fahafahana fanadinana bakalorea amin’ny ankapobeny any an-toerana, araka ny fanazavana voaray. Miisa 10 899 ireo mpiadina afaka ny fanadinana, raha toa ka 24 448 ireo mpiadina tany an-toerana.

Laurena Nany