22/05/2018

BAD : Nanome 325 tapitrisa Euros an’i Madagasikara

Voatendry ho solontenan’ny Banque Africaine de Développement , na BAD hiasa eto Madagasikara i Mohamed Abdallah Cherif. Araka izany dia nanatitra ny tatarasy manendry azy teny anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE) ity solontenan’ny BAD vaovao ity.

Ankoatra ny fanaterana ity taratasy manendry azy ity, dia nisy ny dinidinika nifanaovany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Henry Rabary-Njaka. Tamin’izany indrindra no nitondran’ity solontenan’ny BAD ity ny hafatry ny filohany amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny BAD sy Madagasikara. Anisan’ny nisongadina tamin’izany kosa ny fanomezana tetikasa miisa 16, izay mitotaly 325 tapitrisa Euros, an’i Madagasikara.
Voalaza fa mifototra indrindra amin’ny tontolon’ny angovo sy ny fambolena ireo tetikasa amin’ny fananganana fotodrafitrasa maharitra. “Tsy maintsy mifanaraka amin’ny stratejia nasionaly, stratejian’ny firenena izay mifandrindra tsara amin’ny tetikasa fampandrosoana eto Madagasikara avokoa anefa izany”, hoy i Mohamed Abdallah Sherif, solontenan’ny BAD.

Nanambara kosa ny minisitra Henry Rabary-Njaka, tetsy andaniny, fa nihamafy hatrany ny fifandraisan’ny BAD sy i Madagasikara nanomboka ny taona 2014. “Niaraka sy teo anilan’i Madagasikara hatrany ny BAD nanomboka tamin’ny fiforonany sy fijoroany. Saingy, tsara kosa ny mamamafy eto fa nihamafy izany fiarahana sy fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta nanomboka ny taona 2014”, hoy ny minisitry ny MAE.

MN