20/07/2018

Asa sosialy : Nitohy tany Morondava ny fizarana Kits Scolaires

Tsy nisy diso anjara tamin’ny Kits Scolaires nozarain’ny avy amin’ny fitondram-panjakana ny zanaky ny vahoaka malagasy. Nitohy tany Morondava indray izany, omaly. Ny Praiminisitra Mahafaly Olivier moa no nizara izany tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana. Taorian’izay dia nisesy ny fanolorana fampitaovana samihafa ho an’ny faritra Menabe. Isan’izany ny fampitaovana hiatrehan’ity faritra ity ny loza voajanahary. Teo koa ny fitokanana ny biraom-paritry ny fanabeazam-pirenena ao Menabe. Raha ny fanazavana dia izay vao nahazo fotodrafitrasa sahaza ho azy io rafitra io, fa nanofa foana izy hatramin’izay. Teo koa ny fanambarana ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Morondava sy Bekopaka mirefy 175km, izay iarahana amin’ny vondrona eraopeana.