20/08/2018

Asa fisolokiana tao Sambava : Mpitsara iray voasambotra

Ny alatsinainy lasa  teo no nosamborin’ny  mpitandron’ny filaminana  avy amin’ny  zandarimariam-pirenena sampana ady heloka bevava  avy ao Sambava ny mpitsara iray sy ny mpamily azy ary ny polisy miisa ro.Ny anton’izany dia ny fisolokiana filazana ho iraky ny primatiora ka nisavan’izy ireo ny tranona mpamongady lavanila iray tao Sambava. Raha ny fantatra sy ny fampitam-baovao  avy any an-toerana dia nitondra taratasy fahafahana misava ny trano izy ireo, saingy hosoka izany. Tsy vitan’ny fisavana anefa fa dia nogiazana avokoa ny lavanila tao an-tranon’io mpandraharaha io,  izay raha ny fanazavana azo dia milanja manodidina ny 800 kilao eo ho eo izany. Omaly no fantatra fa niakatra fampanoavana ireo tariky ny mpitsara iray voasambotra tao  Sambava io, ka nahazo fahafahana vonjy maika izy enina ireo. Tsy mahefa amin’ ny raharaha rahateo ny mpitsara any an-toerana ka voatery nafindra aty an-drenivohitra ny fikirakirana ny antontan-taratasy. Omaly hariva ihany moa dia fantatra fa nanainga  ho aty Antananarivo izy  ireo.

Tsy vao izao  no naharenesana mpitsara manao asa maloto tahaka izao fa saika efa mahazatra izany, tsy vao ela akory izany raha tsiahivina ny raharaha fakana an-keriny an’ i arnaud izay nampidirana am-ponja, mpitsara iray tany Toamasina. Hatreto aloha mbola samy tsy nandrenesam-peo ny sendikà sy ny ministera manoloana ity raharaha ity. Raha ny zava-misy any amin’ny faritra SAVA dia hita izao fa samy manao izay ho afany amin’ny fanararaotana sy fampiasana ny fahefana ananany eo am-pelatanany ahafahana mangalatra lavanila ireo tompon’andraikitra any an-toerana noho ny fiakaran’ny vidin’ny lavanila. Tsiahivina fa noho ny zava-misy teo aloha tany amin’ iny faritra iny noho io raharaha lavanila io  dia nanjaka ny fitsaram-bahoaka. Tsy mahagaga anefa izany satria dia  ny tompon’andraikitra ambony  mihitsy izao no manao ny asa ratsy. Tsiahivina ihany koa fa ny fanambaran’ny praiministra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier fa  « misy ny tompon’andraikitra ambony izay tafiditra anatin’io raharaha halatra lavanila io, ka tsy hitsisy ny fitondram-panjakana ho an’ireo izay tratra fa hiharan’ny lalàna avy hatrany’’

 

Iratra Raitra