24/05/2018

Aretimaso vokatry ny diabeta : Mahajamba tanteraka

Ny aretimaso vokatry ny diabeta na ny “rétinophatié diabetique” no tranga vaovao hita manerantany ary anisan’izany i Madagasikara. Amin’ny maha “rétinophatie diabetique” azy izay dia olona diabetika no tratran’io aretina io ary mitarika amin’ny fahajambana tanteraka izany raha tsy voatsabo. Olona avo tahan’ny diabeta, avo tosidra ary avo “cholesterol” no tratrany. Fantatra fa, eny anivon’ny lalan-drà madinika, ny fiangonan’ny siramamy anaty ra amin’ny diabeta dia miteraka fahapotehan’ny fonony, eo koa ny fiadanan’ny fikorian’ny ra. Ary ny fahavoazan’ny lalan-dra kely amin’ny “rétine” no miteraka ny aretimaso amin’ny olona diabetika, araka ny fanazavan’ny Rabenjamina Olivier, filohan’ny Lions first sight Madagasikara. Marihina fa kisendresendra na fahasahiranana mijery no ahitana ity aretimaso vaovao ity, noho izany, tsy maintsy atao milamina ny fitsaboana ka amin’ny alalan’ny fitsindromana sy fitsaboana amin’ny “laser” no hanantanterahana izany, hoy hatrany ny fanazavana. Raha tsiahivina ny fitsaboana ny katarakta no nahafantarana ny lions first sight Madagasikara ary hatramin’izay 20 taona nitsanganana izay, olona 75 000 no sitrana.

Laurena Nany