21/11/2018

Apatride eto Madagasikara : Maherin’ny 3 tapitrisa ireo mbola miandry taratasy

Inona marina ny maha olom-pirenena malagasy? Anarana ve ? Volonkoditra ve ? Fiakanjo ve ? Finoana ve? Sa soatoavina? Inona no dikan’izany hoe miaina eto amin’ity toerana ity? Iza amin’ireo miaina eto no Malagasy? Ary iza no atao hoe tsy Malagasy? Io no fanontaniana mipetraka ao anatin’ny sain’ireo apatrides na ireo tsy manatsata taranaka fahatelo miaina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ireto farany izay mitaky ny zo amin’ny maha olombelona azy ireo, noho izy ireo teraka teto ary efa niaina teto aman-taonany maro.

Inona ny atao hoe « apatrides »
Maro ny mbola tsy mahafantatra ny atao hoe “apatridies” sy tsy mahafantatra velively fa misy olona tahak’izany eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, ireo olona tsy mizaka zom-pirenena na inona na inona no atao hoe “apatrides”. Izany hoe, tsy manana tanindrazana. Misy karazany maro izany fa ny « apatride unicité » no misy eto amintsika, izany hoe, ireo olona teraka teto na ny ray aman-dreniny na efa amin’ny taranaka faha-enina fa dia tsy mbola mizaka ny zom-pirenena maha-malagasy. Ary ireo teratany karana, sinoa, arabo ary ny kaomorianina no tena lasibatra amin’izany ary any Mahajanga, Fianarantsoa sy Toliara no ahitana azy ireo. Ny resaka lalàna eto amintsika no voalaza fa isan’ny mampirongatra ny “apatrides” eto Madagasikara. Satria ny lalàna Malagasy dia mametra tsara fa ny “droit du sang” sy “droit de sol” ihany no hahafahana mizaka ny zom-pirenena. Ho an’ny eto Madagasikara, mbola tsy fantatra mazava ny tena isan’ireo olona tsy manatsata noho izy ireo miafina noho ny tahotra ny fomba fijery ny fiaraha-monina. Fa amin’ny ankapobeny, tombanana 3 tapitrisa ireo karana fotsiny mbola miandry ny taratasy mba hizakana zom-pirenena, raha ny hita tany Fianarantsoa sy Toliara nandritra ny fidinana ifotony nokarakarain’ny Focus Development Associatio, ho an’ny mpanao gazety izay novatsian’ny UNHCR. Marihina fa ny samy hafa amin’ny mpitsoa-ponenana ny olona tsy manatsata.

Iharany fanilikilihana

Tebiteby lava no iainan’ireo olona “apatrides” na tsy manatsata eto Madagasikara. Iharan’ny fanavakavahana amin’ny endriny maro ihany koa izy ireo. Ary vokatr’izay, dia misy ny tsy afaka manohy ny fianarany, ao ny tsy manana asa, misy koa ireo voatery manala ny anaran-drainy mba hananana izany zom-pirenena izany. Misy koa ireo miafina noho ny tahotry ny fomba fijerin’ny fiarahamonina. Ohatran’ny Majid Ahidar monina ao Toliara, izay voatery tsy afaka nanala BEPC noho izy tsisy anarana Malagasy nefa Malagasy Betsileo ny reniny fa nanambady teratany vahiny. Toy izay koa i Zaïnil teratany Indo-pakistanais sy Mohamed H. teratany Arabo, monina any Fianarantsoa. Ireto farany izay tokony hanohy fianarana any ivelany taorian’ny fahafahana bakalorea saingy noho ny tsy fananana zom-pirenena dia nionona tamin’izao. I Mohamed Abdoullah indray, 45 taona izay metisy Malagasy ny reniny fa nanambady kaomorianina dia voatery nanala ny anaran-drainy tao anaty kopia. “Handeha hanantanteraka lalaon’ny Nosy tao amin’ny Nosy rahavavy izaho tamin’izay fotoana izay fa noho io anarako io dia tsy nahazo taratasy aho. Hany ka, voatery noesorina tao ny anaran’ny Raiko fa lasa ny anaran’ny Reniko ihany no misoratra. Lasa zaza tsy manan-dRay aho izany amin’izao ka tena mampalahelo aho mihitsy. Tsy tokony avy amin’ny anarana no asiana olana”, hoy i Mohamed A, any Toliara. Eo amin’ny sehatra ny asa indray dia tsy afaka mihoatra amin’ny fiainana ireo “’apatrides” na dia te-hanao zavatra aza noho io tsy fananana zom-pirenena hatrany. Hany ka, voatery mionona amin’ny asa izay omen’ny fianakaviana. “Ny olana amin’ilay tsisy taratasy dia tsy misy manome asa ary miato daholo ny zavatra atao eo amin’ny resaka fiaraha-miasa”, hoy kosa, Ayub, 48 taona, teratany Pakistanais, manambady Malagasy, miasa amin’ny fianakaviana. Tahak’izay ihany koa i fe-piainan’ny Zaïnil, 26 taona izay maka entana amin’ny fianakaviana amidy mba hahafahan’izy sy ny reniny miaina. I Mohamed H. kosa mitantana ny hotelin’ny rafozany.

Sarotra ny lalana ahazoana taratasy

Mandalo dingana maro ny fikarakarana taratasy mba hahazoana zom-pirenena Malagasy. Vola an-tapitrisany maro ihany koa ny lany mba hahafahana mahazo izany, raha hahazo akory aza. Araka ny fanamarihana nataon’ireo “apatrides” dia 10 hatramin’ny 11 taona vao mahazo izany ary bizina be ho an’ireo mpikarakara ny antonta-taratasy izay manomboka eny amin’ny zandarimariam-pirenena, nandalo prefektiora hatrany amin’ny tribonaly ary eny amin’ny gazetim-panjakana no mivoaka farany. Ary ny tribonaly sy ministeran’ny Atitany no tompon’ny teny farany. “Aorian’ny fanangonana ny antontan-taratasy rehefa dia misy ny fanadihadiana atao eny amin’ny fokontany hahafantarana ilay olona. Misy ny fanontaniana atao ny mponina manodidina. Rehefa feno ny fepetra rehetra dia alefa any amin’ny faritany ireo antontan-taratasy ary ny primatiora na tribonaly no manapaka na omena zom-pirenena na tsia ny olona iray. Ary any amin’ny gazetim-panjakana no farany”, hoy i ramatoa Françoise, tompon’andraikitra ny filaminam-bahoaka sy ny sampan-draharahan’ny fifindramonina sy ny mpifindra-monina any Fianarantsoa. Ho an’ny Zaïnil manokana izao dia vola 5 tapitrisa Ariary no efa laniny nanomboka ny taona 2017. “Teny amin’ny zandarimariam-pirenena no nametrahana ny atontan-taratasy voalohany. Tena fanambakana be ilay izy ary isaky ny enim-bolana mandoa vola foana nefa afaka 10 taona vao mahazo taratasy. Fihinanana be ho an’izy ireo ilay izy dia “bloque”-na mba hahazoana vola foana”, hoy hatrany Zaïnil nanazava. Izany hoe, mampiroborobo ny kolikoly. Ireo “apatrides” ireo izay voatery miaina amin’ny karatra maha mponina na “carte de resident” izay Euros ny hahafahana mahazo azy. Marihina fa 609,08 Euros ny hahazoana “carte de resident” monina eto 3 hatramin’ny 5 taona. Mitentina 838,47 Euros kosa ny 5 hatramin’ny 10 taona raha toa ka, 300 Euros ny fahazoana “carte de résident” monina tanteraka eto Madagasikara. Fantatra moa fa 1 500 ihany hatreto ireo olona nahazo “naturalisation” hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena raha toa ka, 1000 isan-taona ny any Frantsa. Ary tamin’ny andron’ny tetezamita io no niato tanteraka.

Manaraka ny fomba Malagasy

Na dia teratany vahiny aza ireo “apatrides” ireo dia mihevitra ny tenany ho Malagasy tanteraka satria manaraka ny fomba maha Malagasy, indrindra rehefa misy fahoriana ohatra. “Malagasy aho, teraka teto aho, mahay miteny Malagasy aho ary tsy mahay teny Arabo. Miray petsapetsa amin’ny fiaraha-monina Malagasy aho ary manao adidy eo anivon’ny fiaraha-monina”, hoy i Mohamed H. Tahak’izany koa ny navalin’ny Amine, 55 taona ao Toliara, “efa tany amin’ny 1800 no tonga teto ny dadabeako rehefa nandositra ady tany Inde. Nandeha lakana izy ary nigadona tao Morondava. Nanambady Malagasy izy ary niteraka an’i Reniko. Mbola tsy nisy kopia tamin’izany. Tsy nianatra ihany koa izy ireo ka tsy nahafantatra hangataka zom-pirenena izany ka lasa “apatride”. Fa izaho dia Malagasy satria teraka teto, ary tsy vitan’izay fa ny Reniko Malagasy.” Ity farany moa izay efa nahazo zom-pirenena frantsay ny taona 2017. Notsipihany anefa fa misy fiantraikany amin’ny toe-karenan’i Madagasikara ny tsy fanomezana zom-pirenena. “Tokony vahana ny lalànan’ny “droit de sol” eto Madagasikara ho fampandrosoana ny ara-toekarena satria matoky kokoa ny olona hampiasa volany raha ampidirina ho isan’ny mpiara-monina ara-dalàna ary izay no nampandroso an’ny frantsa”, hoy hatrany i Amine. Misy fiantraikany amin’ny endriky ny Madagasikara amin’ny any ivelany ny tsy fanomezana io zom-pirenena io satria milahatra amin’ireo firenena manavakavaka tahaka ny Iran ohatra. Fantatra koa fa tafiditra ao anatin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona izany ka ny fanovana ireo làlana ihany no vahaolana. Ny tena olana mantsy dia afangaron’ny olona ny mpifindra monina sy ny tsy manatsata, manoloana ny ady amin’ny terorista amin’izao. Ary tsy manatsata no lazaina nefa mpifindra monina.

Laurena Nany