16/12/2018

Antsiranana : Tovolahy mpianatry ny Oniversite nisy naka an-keriny

Lehilahy iray mpianatra ao amin’ny oniversiten’Antsiranana no voalaza fa nisy naka an-keriny ny marainan’ny zoma lasa teo. Araka ny fanamarinam-baovao avy any an-toerana dia lasibatry ny fakana an-keriny teny an-dalana hamonjy ny toeram-pianarana izy, rehefa niala tao amin’ny trano fonenany tamin’ny 6 ora maraina. Raha ny fantatra dia mpianatra manao ny lalam-piofanana Lalàna taona voalohany ao amin’ity Oniversite any an-toerana ity tovolahy ity. Tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia nataon’ireo jiolahy nitazona azy no nahafantarana ny fitazonana azy. Tombanana ho efa narahin’ireo olon-dratsy izy izao niharan’ny fakana an-keriny izao.

Hatramin’ny zoma hariva teo, dia mbola nisy ny fifandraisana an-tariby nifanaovan’ny fianakaviana sy ireo mpaka an-keriny, saingy tsy nisy ny fitakiana vola ho tambin’ny famotsorana azy. Etsy andanin’izay anefa dia niezaka nanao ny fifampiraharana tamin’ireo mpaka an-keriny ny fianakaviana. Tsy nanome ny fe-potoana hamotsorana azy kosa ireo jiolahy araka ny fanazavana, fa nanambara tamin’ny filazana fa “mbola ho avy ny zanakareo”. Ankoatra izay dia tsy nahazoam-baovao intsony ny mikasika ireo olon-dratsy sy ny toerana hitobian’izy ireo. Mitohy taorian’izay ny fikaroham-baovao eo anivon’ny mpitandro filaminana mahakasika ity trangana fakana an-keriny mampiahiahy ity. Voalazan’ireo fianakaviana fa tsy nitohy intsony ny fifandraisana tamin’ireo olon-dratsy. Mampisavorovoro ny mponina any an-toerana noho izany ity zava-mitranga ity, satria dia efa naharenesam-baovao ny momba ny halatra taova any amin’iny faritra iny. Eo ihany koa, ny fanahiana manoloana ny fisehoan’ity trangana fakana an-keriny mampiahiahy ity. Amin’izao fotoana izao dia tsy ny teratany Indianina sy ny vahiny ihany no lasibatry ny fakana an-keriny fa isan’ny iharan’izany koa ny Malagasy. Mirongatra tanteraka noho izany ity trangana fakana an-keriny ity, ary efa lasa fomba fiady mihitsy ny maka ireo Malagasy tsotra, tahaka ireny niseho tany Brieville sy Malaimbandy ireny.

Valérie R.