22/05/2018

Antsirabe : Vehivavy maty notapahan-doha

Nisehoana vonoan’olona mahatsiravina sy tamin’ny fomba feno habibiana indray tany Vatofotsy Antsirabe ny alarobia alina lasa teo, tokony tamin’ny 12 ora. Vehivavy 37 taona niboridana tanteraka no notapahan-doha sy norasarasaina tamin’ny zava-maranitra ka niendaka tamin’ny vatany hatramin’ny tanany sy ireo tongony roa. Rehefa izany, dia nozarazaraina sy nasitrika tao anaty gony miisa efatra ny vata mangatsiakan’ity niharan-doza ity, ary natsipy teny amoron’arabe avy eo. Polisy sendra nanao fisafoana ny tanàna tahaka ny mahazatra no nahita sy nisava ireo gony nihosin-drà , ary nanatitra ny razana tany amin’ny tranom-paty. Tsy hita ny fitafiana nanaovan’io vehivavy io sy ny zavatra teny aminy, noho izany dia tsy nahitàna taratasy mahakasiaka azy ity niharan-doza ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny kaomisaria foibe ao Antsirabe, dia fantatra fa mpivaro-tena any an-toerana ity olona novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ity. Noho izay asany izay, dia fantatra ihany koa fa nisy nahita niakatra tao anaty fiara miloko manga ny tenany , tamin’io alina io, tokony 08 ora, talohan’ny nahitàna ny vata mangatsiakany. Ny namana mpiara-miasa aminy moa no efa nifampiresaka tamin’ireo mpitandro ny filaminana, raha toa ka tsy mbola nanatona ny biraon’ny polisy na naka ny razana teny amin’ny tranom-paty ny fianakavian’ny maty hatramin’ny omaly hariva. Raha tsiahivina, dia efa nisy tranga tahaka ity niseho afak’omaly ity ihany koa tany an-toerana ny volana jolay tamin’ny taon-dasa. Nozarain’ireo tsy mataho-tody dimy ihany koa mantsy ny vatan’io vehivavy io, rehefa avy naolana. Raha jerena sy alalinina ny zava-nisy, dia ahiana ho tambazotra iray ihany no ao ambadik’izao vonoan’olona izao. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ary efa mandeha ihany koa ny fikarohana ireo nahavanona ity habibiana tsy roa aman-tany ity, izay handrandraina fatratra ny hasamborana azy ireo faran’izay haingana, hahafahana mampihatra amin’izy ireo ny lalàna faran’izay henjana.

Mialy R.