20/09/2018

Antsalova Bekopaka : Lasan’ny dahalo ny valim-panadinana

Dahalo miisa 3 no nanafika ny talen’ny CEG sy ny Daf Cisco Antsalova ny 13 septambra lasa teo. Teo Antsalova lalana mankany Bekopaka tsy lavitry ny kaomina Trangahy, izay 20 km an’i Bekopaka no nitranga ny fanafihana. Araka ny vaovao voaray avy tamin’ny Dren Melaky, Randrianaly Lucie dia nifanena tamin’ny dahalo izy roa ireo, rehefa avy nanao fitsarana ny fanadinana ka handeha hamonjy ny toeram-piasany. Naratra izy ireo ary lasa tamin’izany ny valim-panadinana BEPC 2018, hatao peta-drindrina miaraka amin’ireo finday sy ny fitafiny. “Tsy ny valim-panadinana no lasa fa ny lisitra atao any Bekopaka. Marihina fa efa ny alatsinainy teo no nivoaka ny valim-panadinana taty. Noheverin’ireo dahalo fa vola be ny sakaosy teo am-baben’ ny Daf Cisco, ka antony nahatonga ny fanafihana. Efa mpiseho isan’andro aty aminay izany mifanena amin’ny dahalo izany noho ny tsy fandriam-pahalemana. Efa any amin’ny hopitaly ireo naratra ary tsy misy ahiana ny ain’izy ireo”, hoy hatrany ity lehiben’ny sampandraharaham-paritry ny fanabeazam-pirenena any Melaky. Araka izany tsy misy fiantraikany amin’ny voka-panadinana any an-toerana izao fanafihana izao. Ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena moa dia efa mandray ny andraikiny manoloana izao tranga izao.

L.N