22/09/2018

Antanimora sy Tsiafahy : MIISA 661 IREO NAHAZO FAMOTSORAN-TSAZY

Ny zoma 06 Janoary lasa teo dia namoaka didim-panjakana fanalefahan-tsazy sy famotsoran-keloka  ny filoham-pirenena. Nandritra ny lahateny sy ny  kabary izay nataony tamin’ny fifampiarabana tratry ny taona teny Iavoloha no nanambarany izany. Fanaon’ireo filohan’ny repoblika ny mamoaka ity didy isan-taona ity, ary nohamafisin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izany. Manodidina ny 661 ireo nahazo famotsoran-keloka tamin’ity taona ity. Nitondra ny fanazavany ny tale mpandraharaha ny fonja, Ralisaona Arsène.

Triatra  (TR) : Manodidina ny firy eo no isan’ireo voafonja nahazo ny fanalefahan-tsazy tamin’ity taona 2017, raha  ny fonjan’Antanimora sy Tsiafahy no resahina?

Ralisaona Arsène (RA)  : “ 3187 no isan’ireo voafonja eny Antanimora ka ny 1247 tamin’izy ireo no voakasika tamin’ity fanalefahan-tsazy  ity. Ny 412 tamin’izy ireo no tonga dia  afaka teo noho eo  ary ny 835 no mbola miandry ny fanafahana azy ao aoriana kely. Raha ho an’i Tsiafahy indray, dia 82 tamin’ireo 907 no nahazo izany, ka ny 07 tamin’izy ireo ihany no afaka teo noho eo raha toa ka mbola miandry kely ny 75  amin’izy ireo. Izany hoe manome any amin’ny 661 eo ho eo izy ireo raha atambatra  ”

TR : Inona avy no fepetra notakiana  tamin’ireo voafonja ka nahafahany nahazo ity fanalefahan-tsazy ity?

RA : “Tsy dia misy hoe fepetra inona , fa ireo voafonja nahavita sazy farafahakeliny 15 taona tamin’ny fanaovana heloka bevava aloha izany , ka feno 60 taona ho an’ireo  vehivavy,  ary 65 taona ho an’ireo lehilahy dia voakasika amin’ny famelan-tsazy ampahany sy fanafoanana izany avokoa.  Tsy ny gadra rehetra kosa anefa no mahazo io famotsoran-keloka io. Ireo izay nanao fanodinkodinam-bolam-panjakana na fangalarana izany , na nanao kolikoly ohatra  dia tsy  mahazo izany mihitsy. Toraka izay ihany koa ireo manao heloka mifandray amin’ny famotsiam-bola rehetra. Tafiditra ao anatin’ireo tsy voakasika amin’izy io ihany koa ireo izay manao fanodinkodinana andramena sy ireo izay voaheloka amin’ny fivarotana an-tsokosoko ireo biby sy harena an-kibon’ny tany.  Ny resaka vonoan’olona sy ny vonoan’olona nomanina  aloha izany  dia tsy voaresaka ao anatin’izany mihitsy. Ny voafonja na ny gadra an’ady izay nandositra ny fonja moa izany mazava ho azy dia tsy mahazo ity famotsoran-keloka ity fa fampitomboina ny sazy efa nefainy indray aza no ataon’ny eo anivon’ny fitsarana.

TR :  Firy volana no fanalefahan-tsazy ambany  indrindra azon’ireo voafonja? ary ny ambony indrindra?

RA : “03 volana aloha izany no ambany indrindra ho an’ireo izay nigadra herintaona latsaka, ary araka ny voalazako teo, dia ny fanafoanana ny sazy mihitsy  ho an’ireo nanao heloka bevava  ka nigadra 15 taona  an-tranomaizina no faratampony amin’izany. Misy ireo mahazo hatramin’ny 18 volana, ho an’ireo izay efa nigadra mihoatra ny 05 taona an-tranomaizina.”

TR: Inona kosa  no maha-samihafa  ny  “grace” sy ny  “amnistie”?   Ary manao ahoana ny fipetraky ny  “amnistie” ho an’ireo gadra politika?

RA: “ Ny “grace” , dia fahefana omen’ny lalam-panorenana   ny  filohan’ny repoblika hanao ny fanalefahan-tsazy na famelan-tsazy tanteraka, ankoatra izao misy izao. Io izany dia fahefan’ny filoham-pirenena ary ity “grace” ity dia “décret” avy amin’ny didim-pitsarana no manome azy . Ny “amnistie” dia ny mpanao lalàna no manome azy . Ny “assemblée nationale”izany  no manome azy ireny. Ny lalàna no manao ny “amnistie”.  Tsy misy intsony ny “amnistie” ho an’ ireo gadra politika satria fa efa vita tamin’ny fampihavanam-pirenena tamin’ny taona 2014 izany.”

TR: Manao ahoana ny “capacité d’accueil”  na ny fahafahana mandray ireo voafonja?

RA: “ Lavitra be ny fahafahana mandray ireo voafonja. Aleo tonga dia ho raisiko ny momba an’i Madagasikara  amin’ny ankapobeny. Manodidina ny 21 000 eo ho eo no isan’ireo voafonja  ka ny 10 000 amin’izy ireo ihany raha ny tokony ho izy no zakan’ireo fonja izay miisa 82 miasa eto Madagasikara. Tsy ampy noho izany io fahafahana mandray io

TR: Efa nisy ve ny fepetra manokana noraisinareo tompon’andraikitra, na fanitarana io, na fananganana fonja vaovao manoloana izay tsy fahampian’ny toerana handraisana ireo gadra ireo?

RA : “Eny, efa nisy tokoa. Raha ho an’Antanimora izao dia 800 eo no zaka teo aloha, fa noho ny fisian’ny  fanitarana , dia efa afaka mandray voafonja hatrany amin’ny 1400 izy amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, dia nisy ihany koa ny fananganana fonja lehibe any Vangaindrano. Efa vita tanteraka ny fotodrafitrasa rehetra fa miandry ny fanokanana izany sisa. Mihoatra ny 1 000 ireo voafonja zakan’ity fonja vaovao ity”.

TR: Raha eo amin’ny lafiny ara-tsakafo indray no asian-teny, misakafo im-piry isan’andro ireo voafonja ireo?

RA:  “Indroa isan’andro. Eo anelanelanelan’ny 11 ka hatramin’ny 12 ora antoandro ny voalohany, ary alohan’ny hikatonan’ny fonja amin’ny 05 ora hariva ny fanindroany. Noho ny fisian’ireo mpiara-miombon’antoka maromaro  toa ny masera sy ny vaomiera iraisam-pirenena ny vokovoko mena na ny CICR, dia mahazo vary sy laoka isaka  ny alahady ihany koa izy ireo amin’izao fotoana izao .”

TR: Amin’ny fotoana manao ahoana kosa ireo voafonja ireo no afaka vangian’ireo havany? Manana zo firy minitra izy ireo amin’izany?

RA: “ Manana zo tanteraka ireo voafonja hijery ny havany. Arakaraka ny fonja indray anefa no fipetrak’izay “droit de visite” izay.  Amin’ny ankapobeny, dia ny alakamisy sy ny alahady izy ireo no afaka tsidihan’ny havany. Mizara roa izany ka ireo izay mbola tsy voatsara raha no tokony ho izy no mahazo izay “droit de visite”izay ny alakamisy ary ireo izay efa voatsara kosa ny alahady. Raha ho an’ny fonjan’Antanimora anefa izay misy voafonja 3 000 mahery, dia fohy ny fotoana hahafahan’izy ireo manao izany noho ny fahabetsahan’izy ireo. Raha mahatratra 20 minitra izany ho an’ireo fonja hafa, dia 07 hatramin’ny 10 minitra fotsiny izany ho an’ireo gadra ao amin’ny fonjan’Antanimora.”

TR: Hamaranantsika azy, inona no azonao ambara momba ireo voafonja tafatsoaka na mandositra? Mety misy tandrevaka avy amin’ireo mpiandry fonja ve no mahatonga izany  sa ahoana no fipetrany?

RA: “Misy  ny tandrevaka ataon’ireo mpiandry fonja matoa mitranga izany, ary efa misy fepetra sy sazy manokana noraisina  ho an’ireo mpandraharaha voakasika amin’izany voalohany. Izany anefa eo ihany, fa noho ny faharatsian’ny fotodrafitrasa izay efa antitra sy ela nihetezana ihany koa no tena mahatonga ireo gadra tafatsoaka.  Matetika ihany koa dia any amin’ny toby famokarana na ny “campino” no itrangan’izany. Ny antony dia faritra  tsy voaaro io toerana io. Eo ireo voafonja no manararaotra mandositra. Ho an’ireo izay tratra, dia misy indray ny fampitomboana ny saziny raha tokony efa ho afaka sy fotoana fohy sisa no hanefan’izany ary tsaraina fanindroany indray izy. Lasa mafimafy kokoa izany ny sazin’ireo izay manao io fandikan-dalàna io.”

Mialy R.