17/12/2018

Antanimena : Nisy naka an-keriny ny tompon’ny bijouterie Khalidas

Amin’ny fiandohan’ny taona tahaka izao, dia matetika hisehoana raharaha kidnapping foana eto an-drenivohitra. Lehilahy karana 70 taona, tompon’ny “bijouterie Khalidas” etsy Andohan’ Analakely ampitan’ny tobin’ny miaramila indray no lasibatra tamin’ity asa ratsy ity omaly hariva tokony ho tamin’ny 07 ora latsaka kely. Araka ny angom-baovao natao teny an-toerana, dia jiolahy mitam-basy miisa enina nitondra moto cross roa sy moto scooter iray, tsy nisaron-tava fa nanao aro-loha no nanatanteraka izany. Notifirin’izy ireo avy hatrany tao anatin’ny fitohanana ny fitaratr’ilay fiara Hyundai miloko mainty izay nentin’ity karana, hamonjy fodiana etsy Ivandry ity. Navoakan’izy ireo tao anatin’io fiara io ny mpiambina ity niharan-doza, izay nipetraka teo aloha sy tao amin’ny seza aoriana.” Nampandohalihan’ireo jiolahy tamin’ny tany ireo mpiambina roalahy, ary nataon’izy ireo taingin-telo tamin’ilay moto cross iray ilay karana avy eo”, hoy ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ny zava-nisy. Naratra moa ny ilan-tanan’ny iray tamin’ ireo mpiambina roalahy, izay tsy afa-nanoatra noho ny zava-niseho, izay nitranga tao anatin’ny minitra vitsy. Ankoatra ny tifitra niantefa teny amin’ny ilay fiara Hyundai io, dia nandrenesana poa-basy iray hafa teny an-toerana , izay nentina nanalana fiara 4×4 an’ny orinasa G4S nibahan-dalana ka tsy nahafan’ilay kodiaran-droa fanintelony nitsoaka. Nandositra niaraka tamin’ity karana lasibatra ity ireo enin-dahy avy eo. Latsaka nandritra io fotoana io moa ny aroloha sy ny basy poleta iray tany amin’ireo olon-dratsy ireo. Nahitana taim-bala iray ihany koa teny amin’ny manodidina, izay noraofin’ny polisy niaraka tamin’io fitaovam-piadiana latsaka tamin’ny tany io, mba ahafahana manokatra ny fanadihadiana. Raha banjinina ny zavatra efa nisy teto amin’ny firenena, dia hita fa efa fomba fiadin’ireo mpanao kidnapping mihitsy ny manatanteraka ny asa ratsiny rehefa migadona ny fiandohan’ny taona. Raha tsiahivina tokoa mantsy, dia ny faha-04 ny volana janoary 2017 ihany koa no nangalan’ ireo enin-dahy an-keriny ny DG n’ny Caromad tetsy Tanjombato. Andrasana araka izany ny mety ho tohin’ity raharaha izay isan’ny mampiferotr’aina ireo mpandraharaha karana mizaka ny zom-pirenena frantsay monina sy mipetraka eto amintsika ity.

Mialy R.