26/04/2018

Antananarivo – Renivohitra : Olona telo hita faty

Lehilahy roa sy vehivavy iray no maty an-drano sy indray hita faty omaly alatsinainy. Teny amin’ny tetezan’Ampasika no nahitana ireo fatin-dehilahy miisa roa, raha toa ka teny Tanjombato no nisy ny vata mangatsiakan’ilay vehivavy fanintelony. Raha ny mahakasika ireo lehilahy roa maty an-drano ireo, dia fantatra fa manodidina ny 30 taona ireto farany, izay voalazan’ny mponina teny an-toerana fa mipetraka eny amin’ny faritra manodidina ihany. Omaly tokony ho tamin’ny 06 ora maraina no natsingevan’ny rano ny vata mangatsiakan’izy ireo, izay nampikoropaka ny olona teny an-toerana. Araka ny angom-baovao natao, dia nentin’ny rano avy any andrefan’ny tetezana izy ireo. Tsy nifanakaiky kosa anefa ny toerana nahitana ireo vata mangatsiaka roa, fa ny iray teo amin’ny folo metatra ankavanan’ny tetezana, ary ny iray dimy metatra ankavian’ny tetezana. Raha ny voalazan’ny dokotera nanao fitsirihina ny razana, dia fantatra fa ny alahady lasa teo izy ireo no efa namoy ny ainy. Ahiana ho vonoan’olona ihany koa no ao ambadik’izao fahafatesana izao, satria dia nahitana ratra teo amin’ny faritry ny tarehin’ireo niharan-doza. “Mety niaraka novonoina izy ireo, ary natsipy tao anaty rano ny fatiny avy eo”, hoy ny voalazan’ireo mponina. Ny valin’ny “autopsie” irery ihany anefa no afaka hanamarina izay voalaza, hoy ny mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha. Tonga nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy sy ny mpamonjy voina vantany vao nahazo fampandrenesana. Ankoatra azy roalahy ireo, dia nilaza ho nahita fatin’olon-droa hafa teny amin’ny manodidina ihany koa ireo olona teny an-toerana, saingy rehefa niroso tamin’ny fikarohana ireo tompon’andraikitra dia tsy nahita na inona na inona. Naterina teny amin’ny tranom-paty teny amin’ny hopitaly HJRA moa ireo razana telo, izay tsy nahitana taratasy nahafantarana azy ireo na iray aza. Efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ireto tranga teny Ampasika sy teny Tanjombato ireto.

Mialy R.