21/10/2018

Antananarivo-Renivohitra : Niisa 90 ireo fanafihana

Tao anatin’ny enim-bolana voalohany, janoary hatramin’ny volana jona dia niisa 90 ireo fanafihana mitam-piadiana niseho teto Antananarivo Renivohitra, raha ny tarehimarika avy eo anivon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava “Brigade Criminelle”. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fakana an-keriny sy ny fanafihana tranombarotra ary ny fanafihana tranon’olon-tsotra. Olona niisa roa no maty nandritra ireo. Miisa 83 kosa no nosamborina, ary ny 66 tamin’ireo no naiditra am-ponja taorian’ny fakana am-bavany teny amin’ny Fampanoavana. Isan’ireo efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo nandray anjara mivantana tamin’ny fanatanterahana ny fanafihana. Ny sasany tamin’ireo dia efa mpamerin-keloka ao anatin’ny tambazotra mpanao fanafihana. Ny volana janoary sy mey, aprily ary ny jona no betsaka ny trangana fanafihana mitam-piadiana tamin’ireo, izay nahatratra 73 isa. Mitotaly 9 ny tranga niseho ny volana febroary, raha toa ka miisa 8 izany nandritry ny volana martsa.

Raha ny fanazavana azo avy amin’ny lehiben’ny sampana misahana ny ady heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena, Randrianirina Manahy, dia ny tao anatin’ny volana janoary no betsaka indrindra ireo nosamborina sy natao fanadihadiana, satria nahatratra 31 isa izy ireo. Ny volana aprily sy mey indray no niverina nitombo isa ireo voasambotra, ary ny volana jona no nisy ny aina nafoy vokatr’izany. Nisy tamin’izany ireo efa nohenoina teny amin’ny fampanoavana ary namoahan’ny mpitsara mpampanoa fanapahan-kevitra, ny hitanana ireo olona 66 am-ponja vonjimaika, raha nahazo fahafahana kosa ny namany tamin’izany. Raha tsiahivina dia ao anatin’ny fanatanterahana ny hetsika fandravana ireo olon-dratsy ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Ny volana jolay no nanombohan’ireo hetsika maro, izay natao handravana mialoha ny asa ratsy amin’ireo faritra voalaza fa mafampana manerana ny Nosy. Na izany aza, dia nahitam-bokany izany raha ny vokatra azo teto an-drenivohitra sy ny manodidina momba ny hetsiky ny polisy. Nohantintraterin’ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena hatrany tamin’izany, fa ho hentitra izy ireo amin’ny famongorana ireo mpanao asa ratsy.

Valérie R.