20/03/2019

Antananarivo Renivohitra : Miverina ny delestazy

Samy nahatsapa ny teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina fa tapaka matetika , indrindra fa rehefa amin’ny tolakandro ny herinaratra tato ho ato. Misy fotoana 5 minitra, mety 15 minitra izany fa amin’izao fotoana izao, nanomboka omaly dia naharitra ora roa sy sasany ary tamin’ny toerana maro teto an-drenivohitra. Vao migadona ny taona vaovao dia ao anatin’ny haizina sahady no iainan’ny vahoaka malagasy ity taona 2019 ity, satria miverina indray ny delestazy. Nampahafantarin’ny Jirama fa noho ny fidinan’ny haavon’ny rano eny amin’ireo toho-drano amin’izao vanim-potoanan’ny main-tany izao, miampy ny tsy fahampian’ny solika entina manodina ireo foibe famokarana haodin-tsolika, dia tsy ampy ny vokatra tokony hotsinjaraina ka mahatonga ny fahatapahana. Tsy vao izao fa efa hatramin’izay ity fialan-tsinin’ny Jirama ity hanamarinana ny fisian’ny delestazy isan’andro manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Marihina fa tsy eto an-drenivohitra no miaina ao anatin’izao haizina izao fa hatrany amin’ny faritra ihany koa araka ny fanamarihan’ny Jirama ao anatin’ny fanambarana nataony manao hoe, “noho izany ny Jirama dia voatery tsy maintsy mampihatra ny delestazy manerana an’i Madagasikara manomboka androany (omaly).” Amin’ireo fotoana ireo ihany koa dia mety ho tapaka ny famatsiana rano amin’ireo toerana hisian’ny delestazy. “Marihina fa mety hisy fiantraikany amin’ny famokarana sy fitsinjarana rano izao fahatapahan’ny herinaratra izao”, hoy hatrany ny fanamarihan’ny Jirama, ka tokony samy hanangona rano avokoa ny tokantrano tsirairay avy.
Ny mahagaga amin’ity raharaha ity anefa, samy manana ny filazany ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo sy ny tale jeneralin’ny Jirama. Raha ny filazan’ny minisitra Rasoloelison Lantoniaina, andro vitsy lasa izay dia, “afaka mamokatra tsara ny rian-drano amin’ny alalan’ny toho-drano na dia efa ambany aza ny tahan’ny rano.” Koa nahoana no mbola misy delestazy noho ny fidinan’ny haavon’ny rano eny amin’ireo toho-drano lazain’ny Jirama etsy ambony. Nisy fotoana koa nilaza ny tale jeneralin’ny Jirama, Jaomiary aimé Olivier ho soloina ny milina tsy mamokatra herinaratra hatramin’ny 60 isan-jato mba hamongorona ny delestazy izay tetik’asa ato anatin’ny 3 volana. Koa maninona no mbola miverina indray ny delestazy? Hatramin’ny oviana no tahaka izao foana no iainan’ny vahoaka malagasy ny tsy fahaiza-mitantan’ny Jirama, satria ny mpanjifa foana no mizaka ny vokany. Ny tolotra anefa ratsy kalitao nefa lafo dia lafo. Marihina fa rehefa io no misy olana dia mandringa ny asa fampandrosoana, ary mety ho avy koa ny fipoahana ara-tsosialy rehefa tezitra eo ny olona.

Laurena Nany