21/02/2019

Anosizato : Nadoboka am-ponja ilay mpamily nahafaty olona

Taorian’ny nanolorana azy teo anatrehan’ny fampanoavana ny sabotsy lasa teo, dia fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora avy hatrany ny mpamilin’ilay kamio nahafaty mpitarika sarety tetsy Ambodivona Anosizato ny alakamisy maraina lasa teo. Raha tsiahivina, dia voahitsaky ny fiara vaventy nentin’io saofera io teo amin’ny lohany ilay niharan-doza, ary noho ny faharatsiana sy ny fahateren’ny lalana no tena nahatonga ny loza araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha.

Mialy R.