17/10/2018

Anosizato : Mpitarika sarety maty voahitsaky ny kamio

Rangahy manodidina ny 50 taona eo no maty tsy tra-drano rehefa voadona, ary voahitsaky ny kodiarana kamio teo amin’ny faritry ny lohany. Teny Ambodirano Ambodivona afaka kely ny tetezan’Anosizato no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dia noho ny haratsiana sy ny fahateren’ny lalana no nahatonga ny loza. “Nifanena tamin’ny kamio nitondra biriky avy any Ankadivoribe ho any Anosizato io sarety io no naka sisiny, ka voasarik’ilay fiara vaventy ary tafasitrika tany ambany kodiarana aoriana”, hoy ny fanamarinam-baovao avy eo anivon’ity vondron-kery ity. Raha ny filazan’ny olona nanatri-maso ny zava-nisy ihany koa, dia nisisika teo akaikin’io fiara be io ilay lehilahy nitarika sarety nitondra entana mavesatra, ka tsy hitan’ny mpamily ary izao voadona sy voahitsaka izao. Teo amin’ny faritry ny lohan’ ity niharan-doza ity moa no notetezin’ilay kodiarana ka izao nitarika ny fahafatesany teo noho eo izao. Nihoraka ary nitangorona ny olona vao naheno sy nahita ny zava-nisy. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana vantany vao nahazo fampandrenesana mahakasika ity tranga ity. Isan’ny miteraka ny fitohanana eny an-dalambe matetika ny fivezivezen’ny sarety sy ny posiposy ka mampimenomenona sy mampitaraina ireo mpamily fiara. Efa misy lalàna mifehy ny ora afaka hivoahany anefa izy ireny, saingy izy ireo no tsy manaja izany, ary minia manao be marenina. Efa natolotra ny fianakaviany moa ny vata mangatsiakan’ity rangahy namoy ny ainy ity. Notanana nanaovana fanadihadiana ao amin’ny “Poste Avancé” Ampitatafika kosa ilay mpamily nahavanon-doza.

Mialy R.